Tselatra

TSELATRA

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy Antanimena, omaly maraina. Nifandona ny fiarakely iray sy moto. Nidona mafy teo amin’ny lohan’ilay fiara ity fa­rany. Vokany, naratra ilay nitondra kodiaran-droa. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Tsy fantatra mazava, hatreto, ny an­tony nahatonga ny loza. Trano iray nirodana tamin’ny ampahany tetsy Atsimontsena, fokontany Atsinanantsena, […]

TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ilay raim-pianakaviana nanindrona antsy ka nahafaty ny zanany roa lahy tetsy Imerimanjaka By-Pass, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana Anosy, omaly, ny raharaha ka izao nalefa vonjimaika eny am-ponja izao ny tenany. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Namoy ny ainy afakomaly ireo […]

TSELATRA

Tsy hita popoka nanomboka afakomaly Rotsiniaina Faravolatina Fifaliana, tovovavy 16 taona. Avy any Anka­di­non­dry izy ary niakatra teto Antananarivo, nikasa ho eny An­ka­zomanga. Tonga teny Anosizato, omaly tamin’ny 10 ora maraina, mbola nahavita niantso tamin’ny taxi-phone ary nisy nahita ihany koa ny nijoroany teo. Saingy izao tsy hita popoka izao. […]

TSELATRA

Mpanao sinto-mahery tratran’ny polisy teny Marais-Masay, ny marain’ny alakamisy 20 novambra teo. Vehivavy nanao fanatanjahan-tena maraina no nararaotin’io lehilahy io nosintomina an-keriny ny finday teny aminy. Nikasa handositra ny mpanao ratsy saingy nifanenjehana ka voasambotra. Efa-dahy mpisoloky saron’ny mpitandro filaminana tao Belo/Tsiribihina, ny 21 novambra teo. Nilaza ho manana mena-bato […]

TSELATRA

Voasambotry ny polisim-pirenena ny lehilahy tompona rongony milanja 60 kg, tao Betroka, afakomaly. Nokasaina haparitaka ireo rongony ireo saingy voasavan’ny mpitandro filaminana tampoka ny valizy nitondrana azy. Mitohy ny fanadihadiana. Naiditra vonjimaika any am-ponja ireo olona roa tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny zazavavy vao telo taona monja tao Ambatoboeny, afakomaly. Notapa­hin’izy […]