Tselatra

Vaovao tambatra

Dinihina ny fahafaha-manokatra zotra mivantana eo amin’i Madagasikara sy Sri Lanka. Vavahady hidirana amina firenena maro any Azia i Sri Lanka sady foiben’ny fivezivezena iraisam-pirenena. Hojerena ao anatin’ny fiaraha-miasa ny tombony ara-toekarena sy ny fifanarahana « code share » hanatsarana ny fitohizan’ny sidina. Nihena 2,5% ny entana naondran’ireo orinasa afakaba nandritra ny […]

Tselatra

 Hiakatra fampanoavana anio, i Kiady, mpilalao sarimihetsika. Notanana natao andrimaso teny anivon’ny zandarimaria Itaosy izy tamin’ny trangana lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona teny Bemasoandro Itaosy, ny sabotsy teo. Nodimandry ny alahady maraina moa ilay vehivavy 29 taona, nitaingina moto, izay voadonan’ity fiara ity. Mbola mitsabo tena eny amin’ny hopitaly kosa ny olona iray […]

Vaovao tambatra

Nihena 45,3% ny vola niditra tamin’ny fanondranana lavanila nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2025. Nidina 44,3% ny vokatra, nihena 1,8% ihany koa ny vidiny. Antony mahatonga izany ny hamaroan’ny tahiry, milanja hatrany amin’ny 1 000 taonina, any ivelany ka nampihena ny fanafarana. Tafakatra 212,9% ny vary nafaran’i Madagasikara nanomboka […]

Sombim-baovao

Ho fanomanana ny CJSOI sy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Judo, misy ny « Open Mat » na ny fanazarantena hiarahana isan’andro, ny alatsinainy hatramin’ny zoma. Eny amin’ny Dojo Saint Michel Amparibe sy ny Dojo Sainte Famille Mahamasina no hanaovana izany. Ny Cadets sy ny Juniors no voakasika amin’izany. Tontosa […]

Indray mijery

Nasongadin’ny kolonely Faneva, lehiben’ny vondron-tafika zandarimaria ao amin’ny faritra Menabe, fa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa dia nanao ezaka lehibe tamin’ny fanarenana ny filaminana sy ny fitoniana ara-tsosialy tany an-toerana. Tamin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana ho an’ny tanora, anisan’izany ireo dahalo, no nahafahan’ny minisitera nanampy tamin’ny fametrahana fahaiza-manao […]