Mpanao gazety Judd : mangataka tolo-tanana fa tsy salama

Mangataka tolo-tanana fa marary mafy ka nahiditra hopitaly i Tsaraharivony Judicael, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe “Judd”. Mpanao gazety mikirakira vaovao politika ao amin’ny orinasan-tserasera Gazetiko izy. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, tratran’ny aretin’ny tsy fahombiazan’ny voa (In­suffisance rénale) ny tenany ary efa nahiditra hopitaly teny Befela­tanana. Vokatr’ izay, tsy maintsy manao «dialyse » intelo isan-kerinandro satria efa miantraika any amin’ny tsy fahampian-dra ilay olana ara-pahasalamana. Noho ireo fitsaboana samihafa efa natao hatramin’ izay, sahirana ny fianakaviany amin’ny hoenti-manohy ny fikarakarana. Araka izany, mangataka tolo-tanana amin’izay rehetra tsara sitrapo ny tenany, na ara-bola na ara-moraly, indrindra ny vavaka, hanampy azy amin’ny fitsaboana. Raha fanampiana ara-bola no hatao, azo aro­tsaka amin’ny kaonty Mvola 034 27 930 60 amin’ny anaran’i Judicaël na amin’ny Compte bancaire BNI, lah 7193100 0001-52. Tolo­rany fisaorana mialoha sahady izay rehetra hamaly izao fangatahana tolo-tanana izao.

Partager sur: