Niova ho CHRR Ralalaonirina Andriantsiferana Rampanjato nanomboka ny asabotsy 9 desambra teo ny hopitalibe ao Ambositra. Nitarika ny lanonana tamin’izany ny tale jeneralin’ny Serasera, Razafiarison Francis. Nambarany ny maha zava-dehibe ny fanomezana anarana na fanavaozana izany amin’ny fotodrafitrasa tahaka izao sy ny fihainoana ny hevitry ny any ifotony. Nivoitra tamin’ny […]
Other News
Fanenjehana ireo mpitondra teo aloha: vonona haka fanapahan-kevitra ireo depiote
Tapa-kevitra tanteraka. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana eny anivon’ny Antenimierampirenena ny momba ny fanenjehana ireo mpitondra ambony teo aloha. Hanao tatitra amin’ny depiote ny vaomiera miandraikitra ny fanenjehana ireo tsimatimanota eo anivon’ny Fitsarana avo (HCJ) eny Tsimbazaza, ny alakamisy 15 desambra izao. Tapaka tamin’ny fivorian’ireo depiote ny herinandro teo izany. […]
Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly : mametraka ny mangarahara amin’ny fomba fiasa ny CUA
Natao ny sabotsy 10 desambra teo tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, ny fanamarihana ny fankalazana ny « Andro iraisam-pirerenena amin’ny ady amin’ny kolikoly ». Lohahevitra novoizina tamin’izany ny : « Aiza ny ady amin’ny fitantanana ny tanànantsika ? ». Nitarika ny famelambelaran-kevitra tamin’izany ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina […]
Politika zary fanakorontanana sy fandravana
Kisendrasendra na tongatonga ho azy tamin’izao ve ny trangan-javatra nampisavorovoro teny amin’ny Antenimierampirenena? Nanomboka tamin’ny fampiantsoana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, nandalo tamin’ny fifanazavana nikato-trano, niafara tamin’ny firehidrehitry ny solombavambahoaka sasany hiroso tamin’ny fanangonan-tsonia hahazoana manao fitsipaham-pitokisana… Iza no nanao inona tamin’izany? Na […]
Hanatitra « versement »: lasan’ny jiolahy ny vola 140 tapitrisa Ar
Norobain’ny jiolahy ny vola iray sakaosy, rehefa avy nifampisintomana teny ambony posy, ny zoma lasa teo. Tsy nisaron-tava sy nanapoaka basy ireo olon-dratsy. Nirongo fitaovam-piadiana, tsy tahotra tsy henatra, napoakan’ireo jiolahy roalahy teo afovoan’arabe tao Ambolomadinika tao Ambolomadinika anoloan’ny biraon’ny Sekrima, Toamasina basy ka lasany ny vola tamina sakaosy teny […]






