Nidina ifotony tany Dabolava, distrikan’i Miandrivazo ny Biraom-paritry ny Harena an-kibon’ny tany Menabe, ny 5 sy 6 aogositra teo. Nirosoana ny fampidirana anaty ara-dalàna ireo mpisehatra volamena, ka nananganana birao tokana. Hita miaraka ao ny sampandraharaha ny antontanisa avy any Morondava, ny Ivon-ketra Miandrivazo ary ny Foiben’ny Volamena eto Madagasikara […]
Other News
Lemaka Dabara : Velaran-tany 18 000 ha ho voatondraka
Nidina tany an-toerana, nitarika ny asa fanombohana ny fanarenana ny tohodrano Dabara sy ny fotodrafitrasa famatsiandrano sy ny lakandrano, ny minisitry ny Fambolena, Ramindo Gaëtan, ny herinandro lasa teo. Hampitombo ny voka-bary sy ny fambolena ny fahavitan’ity asa ity. Hanomboka ny asa fanarenana any amin’ny lemaka Dabara, faritra Menabe. Anisan’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Andiany fahadimy amin’ireo mpitarika politika noraisin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël ny filohan’ny Antenimiera, ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny sy ny filohan’ny Ceni, Rakotonirina Thierry, ny herinandro teo. Tafiditra amin’ny dinika politika izany ka niresahana ny raharaha politika. Mitsipaka ny fivoizana ny federalisma ny ben’ ny Tanànan’Antsiranana sady administratera sivily, […]
Antoko MFM : “ Mila diovina aloha ny tokotany”
Mitohy ny fifanakalozan-kevitra eo anivon’ny MFM (Mpitolona ho an’ny Fampandrosoana an’i Madagasikara). Laharam-pahamehamana ny fampahatanjahana ny antoko sy ny famerenana ny ondry hiverina am-bala, araka ny nambaran-dRandrianirina Jean Ignace, filoha mpiara-mitantana ny antoko MFM. Ankoatra izay, anton’ny fihaonana, omaly, teny 67Ha, ny fifanakalozam-baovao sy fametrahana ny toeran’ny MFM amin’izao andron’ny […]
Tsy maintsy miara-midinika
Mihamazava amin’izao fotoana izao ny zotra politikan’ny fanavaozana ny Repoblika. Mivelatra amin’ny ankolafin-kery rehetra. Tsy ankanavaka loko fa afaka mandray anjara daholo na ny volomboasary aza. Efa hitahita soritra izany ankehitriny. Tsy maintsy miditra amin’izay rahateo noho ny hamehana maro isan-karazany. Iaraha-mahita fa tsy araka ny nantenain’ny mpitolona ny […]






