Nesorin’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama tsy ho tale jeneraly intsony i Ron Weiss. Nosoloina ny jeneraly Rasolofomanana Hajatiana izy. Vita omaly ny fifamindram-pitantanana. Nahazo tale jeneraly vaovao, noho izany, ny orinasa Jirama, araka ny tapaky ny filankevi-pitantanana. Injeniera ny harena an-kibon’ny tany nianatra tao amin’ny Sekoly ambony Politeknika, ny Jly Rasolomanana Hajatiana. […]
Other News
Orange Madagascar: Hanome fahafahana mijery Can mivantana
Hampientanentana ny fitiavam-baolina ny Orange Madagascar. Tafiditra anatin’izany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2025), mivantana sy amin’ny endrika niomerika. Nanome alalana ireo mpanohana an-tapitrisa hanaraka ireo fifaninanana afrikanina lehibe indrindra manerana ny kaontinanta izy ireo. Nametraka fanavaozana toy ny Max It Digital Fan Zone, hahafahan’ireo mpankafy manaraka ny […]
TARATRY ny KANTO
Hisy efatra ny “Star Tour” amin’ity taona 2026 ity. Io no anisan’ny vaovao lehibe nampitain’ny tomponandraikitry ny hetsika, nandritra ny fihaonana sady fifampiarahabana noho ny taona vaovao, omaly, niaraka tamin’ ny mpanao gazety. Antsirabe toy ny mahazatra no manokatra azy, amin’ny Paka. Manaraka avy eo Antananarivo, ny volana jona. I […]
“Antson’ny tontolo miaina” ; Fampirantiana ny fitiavana ny hazo
“Dendrophile”, entina hilazana ireo olona mpankafy ny hazo sy ny tontolony. Lohahevitra iompanan’ny fampirantiana “Antson’ny tontolo miaina” amin’ity andiany fahatelo ity ihany koa izany. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika, notontosaina omaly, tetsy amin’ny Zone Vital Ankorondrano, toerana handray ny fampirantiana fototra, manomboka ny 17 janoary hatramin’ ny 6 febroary izao. […]
Mitaraina ny ray aman-dreny: Lafo ny saran’ny fianarana zavamaneno
Eo ho eo amin’ny 50 000 Ar isam-bolana ny saran’ny fianarana mitendry zavamaneno eto Madagasikara. « Lafobe » ho an’ny ankamaroan’ ny ray aman-dreny… Antony roa no miteraka io fomba fijery io. Miainga amin’ny fahasarotan’ny fiainana amin’izao vanim-potoana izao ny fampitahana ataon-dry zareo. Faharoa, tsy mijery ireo soa lehibe ho an’ny zanany, hoentin’ny […]






