Other News

Fanondranana entana : Hisitraka ny Agoa mandritra ny telo taona i Madagasikara

Hitohy hatramin’ny taona 2028 ny fisitrahan’i Madagasikara ny Agoa, taorian’ny latsabato nataon’ny solombavambahoaka amerikanina. Lany tamin’ny latsabato nataon’ny solombavambahoaka amerikanina tsy nasiam-panitsiana ny hisitrahan’i Madagasikara ny “Afri­can Growth and Opportunity Act” (Agoa) mandritra ny telo taona indray. Izany hoe, fifanarahana ara-barotra manome fahafahana tsy misy haba ny fanondranana vokatra avy […]

TSELATRA

Manao antso ny tokony hamoahana sy hamotsorana ny solombavam-bahoaka voafidy tao Fianaratsoa I, Sahondrarimalala Marie Michelle ireo andiam-behivavy tetsy Anosizato afakomaly. Nambaran’izy ireo fa tsy manara-dalàna ny fisamborana azy. « Nahavita tsara ny asany, nandritra ny maha minisitry ny Fanabeazam-pirenena azy teo aloha ity solombavahoaka ity », hoy hatrany ireo vehivavy ireo. […]

Ahina ho namono tena : Tovolahy hita faty nihantona tamin’ny hazo

Tovolahy iray 29 taona hita faty nihantona tamin’ny tady, teo amin’ny hazo iray, teo amoron-dranomasina akaikin’ny Jardin d’amour, Maha­janga, omaly, tamin’ny 8 ora sy sasany maraina. Olona mipetraka teo amin’ny manodidina no nahita io zava-doza io ka nampandre ny tomponandraikitra avy hatrany. Nam­pandrenesina ny sefo fokontany sy ny mpitandro filaminana. […]

Distrikan’i Mandritsara: Mpivarotra omby hita faty

Notsatohan’ny tsy valahara tamin’ny zava-maranitra teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana iray mpivarotra omby tao amin’ny fokontany Anandrobato, kaominina Ambalakirajy, distrikan’i Mandritsara, omaly. Hita faty tao anatin’ny renirano Mangarahara tsy lavitry ny ivontoeram-panofanana iray ao an-toerana io lehilahy io. Nakarin’ny fokonolona an-tanety ny nofo mangatsiakany. Nidina ifotony ny mpitandro filaminana sy […]