Mpamoron-kira, mpandrindra, mpihira, mpitendry nanamarika ny mozika malagasy tao anatin’ny 60 taona i Fanja Andriamanantena. Natambany ho iray ireo vokatra sy ny momba azy, hanamarihana tsingerintaona telo lehibe… 80 taona, 60 taona an-tsehatra ary faha-20 taonan’ny “Mozika tsotra izao”. Tsingerin-taona 3 lehibe ho an’i Fanja Andriamanantena, andrarezin’ny mozika ary mbola […]
Other News
Samy tompon-draharaha
Tsy fanovana no hoe atao amin’izao fa fanavaozana. Miainga amin’ny efa eo izany, manatsara ny efa misy. Na izany aza, ifotony ihany ny fanavaozana: fanadiovana, fandaminana, fanatsarana… Misy milaza, ohatra, fa raha fanadiovana, miainga avy any ambony; raha fanorenana, miala any ifotony. Tena vonona ho amin’izany ve? Indrindra ny mpanao […]
Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama: “Anjarantsika ny mandinika ny hoavintsika”
“Anjarantsika ny mandinika ny hoavintsika Malagasy. Isika Malagasy no handinika ny fomba hitondrantsika ny dinika nasionaly, satria ho an’ny Malagasy.” Io ny valin-tenin’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny antson’ny SADC ny tokony hamerenana an-tanindrazana ireo mpialokaloka politika malagasy any ivelany. Hajaina […]
Fikaonandoham-paritry ny Silamo: mivoy ny faritany mizaka tena, foanana ny toeran’ny praiminisitra
Efa nahavita ny fikaonandoha teny anivon’ny faritra ny eo anivon’ireo mpino silamo ary hiroso amin’ny fikaonandoham-pirenena eo amin’izy samy izy ireo. Nitondra tolo-kevitra maromaro momba ny fanavaozana sy ny raharaham-pirenena izy ireo, tamin’izany. Nambaran’ireo mpizaika fa anisan’ny nivoitra tamin’ny fakan-kevitra teny anivon’ny faritra ny fitazonana ny fanjakana tokana. Hapetraka kosa […]
Antohomadinika: lehilahy iray tratra nangalatra atody
Voasambotry ny polisy teny Antohomadinika, ny 18 desambra 2025 tolakandro, ny lehilahy iray 24 taona, mpangalatra atody. Niafina tao ambonin’ny tafontranon’ny biraom-pokontany eny an-toerana izy ka noraisim-potsiny. Nahazo antso avy amin’ny olon-tsotra ny polisy miasa ao amin’ny PPA Antaniavo Antohomadinika, ny marain’ny alakamisy 18 desambra 2025 lasa teo. Misy lehilahy […]






