Other News

Fitandroana ny fetin’ny Noely sy faran’ny taona: ampitomboina ny polisy miasa eny an-dalambe

Nanao fanambarana tetsy Anosy, ny avy amin’ny polisim-pirenena, omaly. Nana­ovan’izy ireo tatitra ny mahakasika ny fandaminana mandritra ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona ary ny fitse­nana ny taona vaovao 2026 hoavy izao. “ Hiantsehatra manerana ny Nosy ny polisy mba hahafahan’ny Malagasy isan-tokantrano sy manerana ny Nosy rehetra mifety […]

Taksiborosy latsaka ambany tetezana: mpandeha 15 naratra, voa mafy ny roa

Nivoaka ny arabe, nifatratra tany ambany tetezana ny fiara mpitatitra iray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, omaly maraina. Mpandeha am-polony naratra. Olona roa tamin’ireo mpandeha am-polony voa mafy taorian’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra teo amin’ny tetezan’i Ikalamilotra, kaominina Beri­votra 5×5, distrikan’i Maeva­tanàna, omaly maraina. Nia­inga ny tolakandron’ny ala­hady 21 desambra […]

Rugby-Jobily faha-125 taona: tsy tafavoaka teo anatrehan’ny CEA ny Cosfa

Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andoha­tapenaka, ny fankalazana ny jobily faha-125 taonan’ny Rugby Malagasy. Lavon’ny CEA Andranomanalina tamin’ ny isa 25 no ho 22, ny Cosfa. Tsy tafavoaka teo anatrehan’ny mpilalaon’ny CEA, ny Mia­ramila, tamin’ity lalao fihan­tsiana ity. Raha hiverenana kely ny fifanandrinana, na­nindry ny CEA tao anatin’ny 23 […]

Nosy Be: vahiny iray nahatrarana zava-mahadomelina 8,5 kg

Voasambotry ny mpiasan’ny ladoany ao Nosy Be, ny sabotsy 13 desambra, ny lehilahy teratany Letton (avy any Letonia) iray. Tratra tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam- pirenena Nosy Be izy, saika hanondrana zava-mahadomelina hihazo an’i La Réunion tamin’ny zotra Air Austral. Nampiahiahy ny mpiasan’ny Fadintseranana ny entana nentiny, ka nasain’izy ireo nosokafana […]