Lany faninefany hitantanana ny Sendikan’ny mpiasan’ny ladoany (Sempidou), Andrianavalona Herizo Ramanambola. Mandritra ny telo taona ny fe-potoana hiasany (2026-2028). Fanamby vaovao hoentiny ny fametrahana ny lanjan’ny sendikà hanajana ny tombontsoan’ny mpiasan’ny Fadintseranana, ny hiarovana ny zony, ary afaka miasa an-kalalahana. Manana ny toerany eto amin’ny firenena ny Sempidou, indrindra amin’ny […]
Other News
Maro ny lesoka mila harenina: 25 % ny harin-karena no entin’ny fambolena
Natao ny 18 desambra teo ny atrikasa namoahana ny fanadihadiana ireo foibem-pikarohana sy rafi-panjakana ara-pambolena eto Madagasikara. Ahitana ny Fofifa, ny Fifamanor, ny Sampandraharaha ho fanaraha-maso ny masomboly (Soc), ny Imvavet ary ny Cffamma, izany. Notsipihin’ny profesora Radanielina Tendro fa tsy mirindra ny fikarohana ara-pambolena eto Madagasikara ka mila fanarenana. […]
Fitantanana eny ifotony: lesoka goavana ny tsy fahaizan’ny olom-boafidy
Taorian’ny nandraisan’ny miaramila, filoham-panjakana, ny fitantanana an’i Madagasikara, anisan’ny maro mpangataka ny fanesorana ben’ny Tanàna. Araka ny fanadihadiana, tsy ny loko politika ihany no mahatonga izany fa lesoka iray lehibe koa ny tsy fahafehezana ilay asa. Matetika heno amin’ny haino aman-jery sy ny tambajotran-tserasera ny hoe mila sivana ny fanaovana […]
Fanamby lehibe: tontosa ny mofomamy mirefy 322 m
Mofomamy “Bûche de Noël” lehibe indrindra tontosa aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Tatran-dry zareo avy ao amin’ny Disciples Escoffier Madagasikara io fanamby io, ny sabotsy teo, teny amin’ny Zone Zital Ankorondrano. Mpahandro maromaro no nifarimbona nanatontosa izany, ary efa roa andro no nanombohan’izy ireo ny asa. Akora maro no […]
Jaw’s Band & Revival Messengers: raikitra ny seho « Gospel Vibe Christmas » 2025
« Hifanaraka amin’ny vanim-potoan’ny Noely ny seho, ny loko sy ny fomba fihirana ireo sanganasan’ny tarika Jaw’s Band. Tahaka izany ihany koa ireo fomba fisehoana eny an-tsehatra eo amin-dry zareo… ». Anisan’ny hampiavaka ity fampisehoana an-tsehatra ity ireo, raha ny fanazavan-dRandimbinjanahary Tahiana, avy ao amin’ny Giga Vibes Évent, mikarakara ny hetsika « Gospel […]






