Other News

Fizarana fahalalana amin’ny kolontsaina : Mitady ny maimaimpoana hatrany ny Malagasy

Mbola tena mafy ny fifandresen-dahatra! Mila omen-kasina ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina ma­lagasy. Tsy izay, anefa, ny zava-mitranga fa mitady ny maimaimpoana hatrany ny Malagasy. « Izahay te hianatra mitendry valiha, milalao fanorona, hahay sikidy sy fanandroana, sns. Saingy, misy sarany avokoa ny fianarana ireny… Tsy aleo ve atao maimaimpoana », […]

Andrarezin’ny vazo miteny : Hisy ny “Pao-tsatroka ho an’Ifanihy”

Tsy misy adihevitra, fa Ifanihy no anarana akaiky indrindra raha vao hoe “vazo miteny”. Misy ireo zandry novolavolainy, hanolotra pao-tsatroka ho an’ity mpanakanto ity. “Omeko tsy omeko”, “Lemena”, “Mpia­san’ny voirie”, sns. Tany amin’ny fiandohan’ny taom-polo 80 tany no efa nampisongadina ireo hira ireo. Mpamorona iray, mahay milalao ny teny hifanaraka […]

FANTINA sy FINTINA

Tokony hanapitra ny fe-potoam-piasan’ny filoha teo aloha, Rajoelina, ny filoham-panjakana amin’izao fotoana izao, araka ny fanehoan-kevitry ny eo anivon’ny Panorama. « Mametraka ny drafitry ny fanovana notakiana hatramin’izay izy ireo amin’izany. Tsy maintsy hirosoana ny fanatsarana ny tokotanim-pifidianana», hoy izy ireo. Hentitra ny minisitry ny Fanajariana ny tany, ny Jly Lylyson René […]

Minisitra Razafimanantsoa Hanitra : “Handeha any amin’ny Repoblika V isika”

“Araka ny takin’ny hetsi-bahoaka, hisy ny fanovana la­là­mpanorenana. Handeha any amin’ny Repoblika V isika. Hia­dian-kevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena izany. Toy izany koa ny lalàm-pifidianana. Eo koa ny momba ireo andrimpanjakana rehetra ma­na­hirana: ny Ceni, ny HCC “. Io ny fanazavan’ny minisi-panjakana misahana ny Fana­vaozana, Me Razafima­nan­tsoa Hanitra, tao amin’ny fandaharana manokana, […]

FFKM – Vina Madagasikara 2050 : Haharitra herintaona mahery ny fikaonandoha

Efa navoakan’ny eo anivon’ny FFKM ireo fotokevi-dehibe sy ny tetiandro samihafa momba ny dinika ho amin’ny fanavaozam-pirenena : Vina Madagasikara 2050 na ny fikaonandoham-pirenena. Handalo dingana samihafa sy miandalana izany. Hita amin’izany tahirin-ke­vitra iaingan’ny FF­KM ho amin’ny fikaonandoham-pirenena izany fa efa nanomboka ny volana novambra teo ny fikarakaraka sy ny fanomanana. […]