Lehilahy iray 24 taona, maty nananton-tena tamin’ny taribia tao anaty tranon’akohon’ny mpampiasa azy, tetsy Ambohidray, fokontany Andranovelona, kaominina Ambanivohitra Fihaonana, distrikan’Ankazobe, omaly maraina tamin’ny 8 ora sy 20 minitra. Faty nihantona teo afovoan-trano no hitan’ny mpiasa sy ny mpampiasa azy rehefa novahana maraina ny trano. Nampandre ny Zandarimaria avy ao […]
Other News
Voalaza fa tsy salama saina : Lehilahy iray hita faty, may, tetsy Tsimbazaza
Hita faty, may tao anaty kirihitra bararata etsy Tsimbazaza, ny lehilahy iray tokony ho 40 taona. May ny vatany sy ny masony. Olona tsy dia salama saina loatra sady mpirenireny eny Anosy sy ny manodidina izy io, raha ny fanazavana voaray. Lehilahy iray manodidina ny 40 taona hita faty, may, […]
Madagasikara-Chine-Russie : Fiaraha-miasa miorina ambony fifampitokisana
Notanterahina teny Nanisana, omaly, ny lanonana nanamarihina ny faha-25 taona ny fifanarahana eo amin’i Russie sy i Chine. Mahakasika ny fiarahamonina tsara, ny fisakaizana ary ny fiaraha-miasa izany. Nampiantrano ny fotoam-pankalazana ny faha-25 taona nanaovan’i Russie sy i Chine ny fifanarahana momba ny fiarahamonina tsara sy ny fisakaizana ary ny […]
Tenisy – Billie Jean King Cup : Tsy tafavoaka teo anatrehan’i Nigeria i Madagasikara
Notontosaina omaly, tatsy Botswana, ny andro fahatelo fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny lalao isan-tarika, taranja tenisy, « Billie Jean King Cup », ho an’ireo firenena afrikanina anaty vondrona fahatelo, sokajy vehivavy. Taorian’ny fahombiazana indroa nisesy, teo anatrehan’ireo namibianina sy ny borondey, izay nahazoan’ny Malagasy fandresena, isa 3 no ho 0, avokoa, dia […]
SOMBIM-BAOVAO
I Zimbaboe sy i Namibia no iray vondrona amin’i Madagasikara, amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila amin’ny « Afrobasket U18 », hatao ny 22 jolay hatramin’ny 30 jolay izao, any Zimbaboe. Izay ekipa voalohany ao anatin’ny vondrona no hiatrika ny « Afrobasket » hatao any Côte d’Ivoire, ny 5 hatramin’ny 16 aogositra izao. Hotanterahina ny […]






