Hentitra ny fitondram-panjakana. Handraisana fepetra ireo tomponandraikitra efa nesorina amin’ny toerany nefa mbola mampiasa fitaovam-panjakana. Nambaran’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika fa nisy tamin’ireo tomponandraikitra teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika teo aloha, efa nesorina tamin’ny toerany tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 29 oktobra sy ny 5 novambra teo, […]
Other News
TSELATRA
Voasambotry ny polisim-pirenena ny lehilahy tompona rongony milanja 60 kg, tao Betroka, afakomaly. Nokasaina haparitaka ireo rongony ireo saingy voasavan’ny mpitandro filaminana tampoka ny valizy nitondrana azy. Mitohy ny fanadihadiana. Naiditra vonjimaika any am-ponja ireo olona roa tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny zazavavy vao telo taona monja tao Ambatoboeny, afakomaly. Notapahin’izy […]
Ampitatafika: Lehilahy iray hita faty natsingevan’ny ranon’i Sisaony
Hita faty natsingevan’ny ranon’i Sisaony tetsy Ampitatafika, omaly tamin’ny 7ora sy sasany maraina, ny raim-painakaviana iray 36 taona. Efa nentin’ny rano avy any ny razana ary teny Ampitatafika vao hita. Heverin’ny olona fa ondana na zavatra hafa izany hay olona efa maty natsingevan’ny rano. Tonga teny an-toerana nahitana ny razana […]
Fisavana sandoka tetsy Antehiroka: Miaramila roa voasambotra, efatra hafa tafatsoaka
Nisy olona enina, nanatanteraka fisavana, voalaza fa sandoka, tetsy amin’ny tranon’ny ben’ny Tanàna teo aloha an’ny kaominina Antehiroka, Lalaina Vatosoa, omaly atoandro. Nanana ahiahy tamin’ny taratasy nentin’ireto farany ny tompon-trano ka nampandre ny zandarimaria avy amin’ny zana-tobim-paritra Antehiroka. Vokany, voasambotra ny lehilahy roa izay miaramila niaraka tamin’ny basy PA. Tafaporitsaka […]
Amoron’i Mania : Basy mahery vaika miisa 41 nogiazana
Fitaovam-piadiana mahery vaika fampiasan’ny olon-dratsy nogiazan’ny zandary ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Basy mitotaly 41 azo tao anatin’ny herintaona. Miasa andro aman’alina, mitandro hatrany ny fandriampahalemana no vaindohan-draharaha ho an’ny zandarimaria miasa ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Anisan’ny vokatra goavana azon’izy ireo nandritra ity taona ity ny fanangonana fitaovam-piadiana fampiasan’ny […]






