Other News

Politika ankapoben’ny fanjakana : Maika ny fikaonandoha sy ny fifidianana filoham-pirenena

Naseho ampahibe-maso teny amin’ny Antenimierampirenena, omaly, ny Politika ankapoben’ny fanjakana ho amin’ ny fanavaozana. Lohalaharana sy maika ny fikaonandoha sy ny fifidianana filoham-pirenena. Fikarakarana fifidianana marina sy mangarahara ary handraisan’ny rehetra anjara no fanambin’ny go­vernemanta vaovao. Ni­voitra izany nandritra ny fanehoan’ ny Praiminisitra Rajao­na­rivelo Herintsalama ny fampiharana ny Politika ankapoben’ny […]

65 taonan’ny Rosa Club de l’Imerina : Hamolavola mpilalao ho reharehan’Antohomadinika

Taorian’ny fanokafana ta­min’ny fomba ofisialy ny faha-65 taonan’ny Rosa Club de l’Imerina (RCI), taranja rugby, ny volana mey lasa iny, nitohy ny alahady teo, tetsy Antoho­madinika, ny hetsika. Natom­boka tamin’ny fotoam-pivavahana nitondrana am-bavaka ny ekipa sy ireo mpitantana ary ny mpilalao rehetra izany, mba ho taon’ny fahamatorana sy fiotazam-bokatra ary […]

SOMBIM-BAOVAO

Efa manomboka miditra amin’ny fifidianana eo anivon’ny ligy, amin’izao fotoana izao, ny taranja basikety, taorian’ny fifidianana teny anivon’ny seksionina. Ligy telo indray no nahavita izany tamin’iny faran’ny herinandro iny. Anisan’izany ny ligin’i Bongolava sy Matsiatra Ambony. Ra­ha ny tetiandro, ny volana janoary 2026 no hotanterahina ny fifidianana eo anivon’ny Federasionina […]

Jiu-jitsu-« Mondiale » : Tompondaka maneran-tany i Idealisoa

Medaly voalohany azon’ny Malagasy ao anatin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Jiu-jitsu brezilianina, tanterahina any Abu Dhabi, ny medaly volamena norombahin-dRanaivomanana Idealisoa, ny alahady lasa teo. Voahosotra ho tompondaka maneran-tany, araka izany, ity Malagasy mpikatroka eo amin’ny Gi/Kids 3/White/32kg, ity. Marihina fa zandrin’i Christian, ilay nahazo laharana fahatelo tamin’ny fiadiana […]

Lalao ara-pirahalahiana : Lavon’ny Barea 2 no ho 0 i Guinée Equatoriale

Nahita fahombiazana ny ekipa nasionaly malagasy, omaly, tany Turquie. Nandresy an-dry zareo Nzalang Nationale Guinée Equatoriale ny Barea. Andrasana ny filaharan’ny Fifa. Tsara ny vokatra ho an’ny Barean’i Madagasikara. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0, ny Nzalang Na­tionale an’i Guinée Equato­riale, omaly, tany Turquie. Fi­fanandrinana tafiditra anaty lalao […]