Hiverina ny fandaharana « Torak’Hehy ». Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy an’ity fandaharana mampihomehy sy mampiala voly, nampalaza ny fahitalavitra TVM tamin’izany fotoanany ity, izany. Ry zalahy ao amin’ny tarika Fou Hehy no nampiaina ny fandaharana « Torak’Hehy », izay naka endrika tantarakely mampihomehy, mandeha isan’andro. Enjehin’ny mpianakavy mihitsy ny lera handehanan’ny fandaharana taloha, […]
Other News
Ranjatohery Harilala : «Aleontsika mitomany randrana manendrika ny hafa»
Nandritra ny fanokafana ny fankalazana ny faha-62 taonan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany no nanatanterahana ny velakevitra: « Ny soatoavina malagasy sy ny fanatontoloana ». Fotoana nanehoan-dRanjatohery Harilala, akademisianina sady mpahay tantara, ny heviny. « Manana soatoavina mampiavaka antsika Malagasy isika. Tahaka ny fihavanana izay ventesintsika mandrakariva. Mazàna anefa no toa tsy omentsika lanja […]
Rohin’ny boky: Mila matihanina ireo mpisehatra
Miaina, saingy marefo ny tontolon’ny boky eto Madagasikara. Ho fanatrarana ny tanjona, mila miroso mankany amin’ ny maha matihanina kokoa ireo mpisehatra rehetra anatin’ny rohin’ny boky. «Ny rohin’ny boky sy ny satan’ireo matihanina eto Madagasikara». « Ny fanentanana momba ny varotra boky ». Ireo no lohahevitra roa, niompanan’ny fampiofanana sy ny fizarana […]
VAOVAO TAMBATRA
Mahatratra 800 000 taonina (t) ny filan’i Madagasikara amin’ny fanafarana vary amin’ity taona ity. Fanafarana ambony indrindra nataontsika tao anatin’ny taona maro. Marihina fa mitentina 924,5 miliara Ar ireo vary milanja 607 000 t nafarantsika nandritra ny telo volana voalohan’ity taona ity. Ambany ny famokarana eto amintsika ka tsy tratra avokoa ireo […]
Orange Madagascar : Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka
Notanterahina ny alarobia lasa teo, tetsy amin’ny Gara Soarano, ny hetsika “Supplier Day”, andiany faharoa. Fotoan-dehibe ihaonan’ny Orange Madagascar amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy manodidina ny 200. Tanjona iombonana ny hanamafy ny fifandraisana, hifampizara traikefa ary hanatratra miaraka ny vina apetraky ny Orange Madagascar. Mpiara-miombon’antoka stratejika ho an’ny orinasa ireo mpiara-miasa aminy […]







