Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena ny indostria noho izy mamorona asa sy mampidi-bola ho an’ny firenena sy ho an’ny tsirairay. Antony indrindra hirosoana amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana mba hizoran’ny firenena mankany amin’ny fampandrosoana maharitra. «Hatsangana tsy ho ela ny tahirim-bola nasionaly hatokana ho fampandrosoana ny indostria» (FNDI), hoy ny minisitra […]
Other News
Vokatra fanondrana : Haverina amin’ny laoniny ny tanjaky ny lavanila
Miandrandra fanatsarana ny vidin’ny lavanila ireo mpisehatra taorian’ny fanafoanan’i Etazonia ny haba 15% amin’ity vokatra ity ka hamerenana amin’ny laoniny ny tanjaky ny lavanila malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ny alahady teo, nanazava ny antony nampiiba ny vidim-bokatra ny kolonely Randrianirina Michaël, filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara (PRRM), tao amin’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Hatolotry ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama ny Antenimierampirenena, anio, ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Hifandraika amin’ireo fototry ny fanavaozana izany: fanamafisana fahaiza-manao sy ny fangaraharana, ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana, fiantohana ny maha repoblikanina ny andraikitry ny Foloalindahy, famolavolana rijanteny fototra hitantanana ny Repoblika vaovao, fanomanana fitsapankevi-bahoaka… Raha hanao […]
Depiote Milavonjy Philobert: “Tokony hohafainganina ny fikaonandoham-pirenena”
“Ny antso avo ataonay matetika avy aty amin’ny fanoherana: ny hirosoana sy hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, izay efa nolazain’ny avy amin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Heverinay fa izany no tokony hatao faran’izay haingana”. Io ndray no nambaran’ny lehiben’ny fanoherana sady filoha lefitra fahafito eny anivon’ny Antenimierampirenena, ny depiote voafidy […]
Tsy sakana velively!
Mazava aloha ny tondrozotra izoran’ny fitantanana ny raharaham-panjakana, manomboka izao. Miasa avy hatrany anatin’ny fitsitsiana. Natomboka tamin’ny fampihenana ny vola hoenti-miasa eny anivon’ny minisitera isanisany izany. Ny fanabeazam-pirenena irery no nahazo ny fampitomboana noho izy heverina fa fototry ny fanavaozana. Omen-danja ny mpanabe! Anisan’ny paikady iray, mahomby, ny fahaizana mifehy […]







