Noleran-drangahy antsy ka namoy ny ainy ny vadiny, ny zoma 21 novambra teo, tao amin’ny distrikan’i Marovoay. Namono tena io lehilahy io saingy tsy maty. Tsy tana ny ain’ny renim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Ankaboka, distrikan’i Marovoay, ny marain’ny zoma 21 novambra lasa teo. Nifamaly tamin’ny vadiny teo aloha io […]
Other News
CHAT TOUT NET
CATI: Manamafy ny fikarohana hanatsarana ny toekarena
Hanamafy ny fifaninanana ara-toekarena, hanohanana ny fikarohana sy ny fanavaozana ara-teknolojia ary hanome sehatra ahafahan’ireo mpianatra, mpikaroka sy mpamorona ary orinasa madinika sy salantsalany (PME) ny ivontoerana fanohanana ny teknolojia sy ny fahitana vao (Cati). Kendrena ny hahafahan’ny mpandraharaha mivelatra, ahafahany mikaroka sy manamafy ny fahaiza-manaony. Manana tahirin-kevitra hatrany amin’ny […]
Trafika ana harem-pirenena: Varika miisa 10 saika haondrana any Dubaï
Tambajotra mpanondrana biby arovana, ahitana Malagasy sy vahiny, voasambotra rehefa nikasa hivoaka an’i Madagasikara, nitondra varika miisa 10. Tra-tehaka tao ambany rihana an’ny tranobe iray etsy Ambohimiandra ireo varika miisa 10 nafenina sy nomanina haondrana an-tsokosoko any Dubaï. Sarona taorian’ny fisavana ny trano sy ny vela-pandrika natao ny kaomorianina miisa […]
TARATRY ny KANTO
«Ankizy Mozika Festival». Hotontosaina rahampitso, etsy amin’ny Villa Berlin Ambatoroka, ny andiany faha-5 amin’ny hetsika ho an’ny ankizy, karakarain’ny CGM/ GZ. Hanomezana sehatra ireo ankizy manan-talenta eo amin’ny mozika izany, amin’ ny hira na amin’ny fiangaliana zavamaneno. Misy ny avy amin’ny sekoly mampianatra mozika, misy kosa ireo manan-talenta hafa. Ho […]






