Andiany faha-163 ny « Concert classique de midi ». Anisan’ny hiavaka ny fandaharam-potoana hanamarihina izany. Fihaonan’ny zavamaneno roa, violon sy piano, iarahana amin’Iavy Raobeloson sy Sitraka Ramarosandratana. Fampisehoana hotanterahina ao amin’ny IFM Analakely, ny alarobia 26 novambra izao, manomboka amin’ny 1 ora ka hatramin’ny 2 ora tolakandro. Hanakoako eny an-toerana ny sanganasan’i […]
Other News
Fiovana sy fanovana : Mila mamantatra ny Malagasy ny mpitondra
Anisan’ny olana goavana tsy mampandroso an’i Madagasikara hatramin’izay ka hatramin’izao ny tsy fahalalan’ny mpitondra ny antsoina hoe “Malagasy”. Izany hoe, tsy fantany ireo mampiavaka azy toy ny fomba amam-panaony, ny kolontsainy, ny tantarany, ny finoany sy ny fahalalany, sns. Vokany, toy ny miteny an-tany efitra izy ireo (mpitondra isan-tsokajiny), manoloana […]
« Samy mbola hafa » : Hiaraka indray ry ‘Zay sy Tovo J’Hay
Raha hoe ny tena « indray nihira », angamba, ry Tovo J’Hay sy ny tarika ‘Zay…Efa maherin’ny 25 taona, fa ampiarahan’ny mozika sy ny mpankafy azy ireo hatrany. « Samy mbola hafa », io indray ny lohatenin’ny fiarahana an-tsehatra manaraka, hotontosaina ny sabotsy 22 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora, eny amin’ny CCI Ivato. […]
Vatoben’Ambatomanga: Harembako-pirenena hisarihana mpizahatany
Tsy ho fandalovan’ny mpizahatany intsony ny eto Analamanga. Ho fanoitra amin’ny fampandrosoana ny eny ifotony ihany koa ireo harembako-pirenena toa ny vatobe manan-tantara eny Ambatomanga. Nahazo ny anarany Ambatomanga noho ny vatobe mierinerina ao. Nosokajiana ho harembako-pirenena eto Madagasikara ity toerana miavaka sy manan-tantara ity, araka ny didim-panjakana laharana 78256, […]
FANTINA sy FINTINA
Tezitra mafy ny depiote « Del kely » tao amin’ ny fandaharana Miara-manonja, omaly. Nambarany fa manao be fiavy miverina anaty fitondrana ny olon’ireo mpitondra teo aloha. « Tsy nitolona ho an’ny Mapar sy ny forongony no natao ka hamerina ireo olona ireo… Tsy toerana no nitolomako fa foto-kevitra. Azo esorina amin’ny toerana aho », […]






