Fanamby goavana ho an’i Madagasikara ny fisitrahana rano madio fisotro. Mbola ny 40% ny mponina no mahazo izany, raha ny tatitra nataon’ny minisitry ny Rano, ny fahadiovana ary ny fidiovana, ny Dr Razafindrianiaina Minosoa Anjaratiana Elia, omaly. Antony nahatonga ny minisitera nanatanteraka fivoriambe niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka eo amin’ny sehatra EAH/Wash. […]
Other News
IOAI Summit : Hatsangana ny vovonana niomerika IA
Tsy afa-miala amin’ny Faharanitan-tsaina artifisialy (IA) intsony ny fampandrosoana sy ny sehatra rehetra, ankehitriny. Anisan’izany ny fambolena, ny fitsaboana, ny fahasalamana, sns. Notanterahina omaly, teto Antananarivo, ny fihaonambe «IOAI Summit 2026», andiany voalohany, mahakasika ny Faharanitan-tsaina artifisialy (IA) aty amin’ny ranomasimbe Indianina (OI). Nambaran-dRamatoa Cédène Da Silva, CEO ny EDS […]
FANTINA sy FINTINA
Hofaritana any amin’ny fikaonandoham-pirenena ny rafitra hitondrana ny firenena ka hamaritana raha mbola hijanona amin’izao ihany ny fokontany, araka ny nambaran’ny minisitry ny Atitany, Rakotonandrasana Velonjara. « Mbola tendrena aloha, hatreto, ny lehiben’ny fokontany. Nanomboka ny taona 2009 no tsy nisy fifidianana intsony », hoy izy. Voatendry ho masoivoho frantsay vaovao hiasa […]
Ceni : Raikitra ny dinika handrafetana lalàm-pifidianana vaovao
Manomboka any amin’ny fandrafetana lisitry ny mpifidy hatrany amin’ny famoahana valim-pifidianana ofisialy. Izay no ifantohan’ny dinika sy fifanakalozan-kevitra karakarain’ny Ceni amin’ny fikaonandoha savaranonando eny amin’ny CCI, Ivato, nanomboka omaly ary maharitra hateloana. “Ao anatin’ny fangaraharana tanteraka no amoahan’ny tsirairay avy izay olana sedrainy”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, taorian’ny […]
Tsy misy hasina intsony
Raha zohina akaiky ny zava-misy amin’izao fotoana izao, mahazo vahana ny tsy firaharahana ny ain’olombelona. Ny mamono tena mahazo vahana andro aman’alina: ny mihinam-poizina mihinana, ny mananton-tena saika isan’andro, ny mitifi-tena tsy fantatra antony itony manao ny ataony ihany koa. Tsy hita ifanomezan-tsiny moa fa taterina etoana izany mba hampisainana […]






