Miantso fanarahan-dalàna ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray. “Tokony hanara-dalàna isika amin’ ny toerana sasantsasany amin’ireo ben’ny Tanàna sy lehibem-pokontany, misy korontana na fisavorovoroana kely”, hoy izy. Hentitra ny mpanolotsaina avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Rabearimanana Lucien. Mitaky fiovana toe-tsaina ny fanovana, […]
Other News
Ankolafy Rajoelina : « Ny fifampiresahana ihany no vahaolana »
Anisan’ireo nifampiresaka tamin’ny delegasionin’ny Vondrona afrikanina (UA), notarihin’i Mohamed Idriss Farah sy i Domitien Ndayizeye, ireo mpomba sy mpanara-dia ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, tetsy Ivandry, ny alahady teo. Nambaran’izy ireo fa tsy mangina na mitazam-potsiny ny avy amin’ny ankolafy Rajoelina manoloana ny raharaham-pirenena. Mandray anjara hatrany mitady vahaolana […]
Fanovana… ifankahazoana
Ny mpitondra no mitondra dia ny vahoaka. Ny vahoaka no hoe tompon’ny fahefana, tompon’ny teny farany. Izy ihany koa no antom-pisian’ny mpitondra. Ho an’ny vahoaka izay ataon’ny mpitondra. Tokony hisy fiantraikany amin’ny fiainany andavanandro mandavantaona izany. Ho amin’ny fiainana tsaratsara kokoa hatrany. Lanja miakatra! Araka izany, mahalala izay mahazo […]
SMGD- Naina Andriantsitohaina: « Tsy misy idiran’ny vadiny », hoy ny Me Andrianarivoson Nicole
Mbola tazomin’ny Bianco, eny Ambohibao, ny vadin’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. « Tsy misy idirany ny raharahan’ny SMDG sy ny kaominina. Mampieritreritra ny fitazomana azy », hoy ny mpisolovava, Me Andrianarivoson Nicole. Nitafa tamin’ny mpanao gazety, teny Antanimena, omaly, ny Mpisolovava ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. Notsiahiviny ny tranga […]
Filoha Randrianirina Michael sy ny Sadc: « Hiezaka amin’ny dingan’ny fanavaozana izahay »
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny fivoriana tsy ara-potoana nampitain-davitra eo amin’ireo filoham-panjakana sy governemanta eo anivon’ny Sadc. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany, sady sambany, ny filoha ny Kly Randrianirina Michael. Notsiahiviny tamin’izany ny fanapahan-kevitr’i Madagasikara amin’ny fialana tsy ho mpitantana ny Sadc. « Ezaka ataonay izao ny fifantohana ny fanatanterahana ny […]






