Other News

Fiara tra-doza teny amin’ny RN2: Maty tsy tra-drano ilay mpamily

Namoizana ain’olona iray indray teny anivon’ny lalam-pirenena faharoa, teo amin’ny sampanan-dalana Galois Am­pasimadinika, Toamasina II, faritra Atsinanana, omaly. Fia­ra an’olon-tsotra marika Hyundai, niloko maitso, nisongona kamiao mpitatitra entana, araka ny fitantaran’ny na­natri-maso. Tsy nanampo na inona na inona, araka izany, ny mpamily io fiara io, kinanjo nifanehatra tampoka tamin’ny kamiao […]

Ambohidratrimo: Mpivarotra rongony voasambotra

Notanan’ny zandarimariam-pirenena ny lehilahy mpivarotra zava-mahadomelina iray tratra tao Ampefiloha, fokontany Antanantanana, kaominina Iarinarivo, distrika Ambohi­dratrimo, omaly. Nanao angom-baovao teny an-toerana, manoloana ny fisiana olona manaparitaka rongony ny solontenan’ny zandary. Nidina ifotony tampoka nanao fisavana ny tokantrano voatondro ho mpivarotra eny amin’io fokontany voatondro io izy ireo. Tsy afa-nanda, nahitan’ny […]

Fanonganana ny ben’ny Tanàna : Nifamono ny olona, am-polony ireo naratra tetsy Anosizato

Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny mpanohana ny ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Anosizato Andrefana sy ny mpitaky ny hialany, omaly. Am-polony ireo naratra teo amin’ny loha vokatry ny tora-bato sy ny daroka nataon’ny samy mponina. Misesisesy ny fidinana an-dalambe ataon’ny olona, amin’ny fanalana sy fanonganana ny ben’ny Tanàna, raha ny […]

Baolina kitra : Hisedra an’i Guinée Equatoriale ny Barea

Na tsy manana lalao ha­trehina intsony aza ny Barean’ i Madagasikara, hiatrika fihaonana ara-pirahalahiana sady fitsapana izy ireo. Io no fantatra raha ny fampitam-baovao tao amin’ny tambajotran-tseraseran’n  Federa­sionina mala­gasin’ny baolina kitra (FMF), nivoaka omaly. Hifanandrina amin’i Gui­née­ Equatoriale ny Barea ny alatsinainy 17 novambra ho avy izao. Lalao hotanterahina ao Antalya, […]

SOMBIM-BAOVAO

Hifarana anio ny fihaonamben’ny fanatanjahantena maneran-tany. Fihaonana notanterahina tany Rosia, nanomboka ny 5 novambra lasa teo. Niatrika izany ny filohan’ny Komity olympika malagasy sy ny sekretera jeneraliny. Lohahevitra maro no nodinihina nandritry ny hateloana nanatanterahana ny hetsika. Notontosaina nanomboka ny 3 novambra lasa teo hatramin’ny anio, ny fiadiana ny tompondaka […]