Harovana sy harenina ny tontolo iainana any amin’ny tapany avaratra sy avaratra andrefan’i Madagasikara. Fiaraha-miasan’ny Fondation Tany Meva sy ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD). Nampahafantarina, omaly, tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa Miaro sy Mikolo, novolavolain’ny fikambanana Fondation Tany Meva ary vatsian’ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD) vola, […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Nate Tex, ao amin’ny Piment Café Behoririka. Elaela tsy tazana an-tsehatra, saingy manohy foana ny mozikany i Nate Tex. Teo aloha ny fandraisany anjara tamin’ny hetsika nisy teto amin’ny firenena, amin’ny maha mpanakanto mahatsiaro ho manana andraikitra. Hihaona indray amin’ireo mpakafy azy, ary hizara ny mozikany ranofotsiny i Nate Tex […]
Fanarenana goavana: Tsy mahay miteny malagasy ny tanora
Tsy honohono intsony fa tena zava-misy eny amin’ny fiarahamonina! Tsy mahay miteny malagasy ny tanora ankehitriny. Na ny feo aloaky ny vava, na ny hevitra tian’ny saina hampitaina, indrindra fa ny fomba hoenti-mandrindra ireo roa ireo… Tsy tafavoaka, tsy afa-maneho hevitra ny tanora ankehitriny. Vao mainka misongadina be io tsy fahaizan’ny […]
« Festival An’Tsary Doc Mada 2025 »: 3 andro ho an’ny horonantsary fanadihadiana
Mampahafantatra, manatsikafona, manasongadina ny horonantsary fanadihadiana. Ny fisokafana amin’izao tontolo izao indrindra no tanjon’ny hetsika « Festival An’Tsary Doc Mada 2025 ». Hetsika ho an’ny horonantsary fanadihadiana. Nahitam-pahombiazana ireo andiany teo aloha, ka hotohizana ny « Festival An’Tsary Doc Mada ». Saika ho natao tamin’ny volana septambra teo izy ity, saingy voatery nahemotra, ka […]
Kolontsaina sy soatoavina: Nanjary tsy nifanaja ny Malagasy
Firenena nandalo ny vanim-potoan’ny fanjanahantany i Madagasikara. Nitondra fiovana maro teto izany, satria, tsy nitazam-potsiny ny Frantsay fa niezaka namafy ireo hevi-diso sy fomba fiady hamotehina ny fiarahamonina. Ny fantatra sy nalaza: “zarazarao hanjakana”. “Raha hanjanaka firenena iray, ianaro ny teniny, fantaro ny fombany sy ny tantarany, fa ho babontsika […]






