Manana andraikitra eo amin’ny fiarahamonina (RSE) ny Vondrona orinasa DHL Group, misehatra amin’ny fitaterana taratasy, antontan-taratasy, entana maneran-tany. Nanolotra vola mitentina 26 750 euros ity orinasa ity, ho an’ny fikambanana Operation Smile, ny alakamisy 30 oktobra teo. Entina hikarakarana ny ankizy misy tsy fahatomombanana amin’ny vava, na ny lanilany ary […]
Other News
Solika : Nihena ny vidin’ny gazoala sy ny solika fandrehitra
Nidina ny vidin-tsolika eto Madagasikara mandritra ny volana novambra, nijanona tamin’ny vidin’ny teo aloha kosa ny litatry ny lasantsy. Nahitam-piovana indray ny vidin-tsolika ho an’ny volana novambra. Voatazona tamin’ny vidiny tamin’ny volana oktobra ny vidin’ny lasantsy eny amin’ny toby famatsiana mandritra ity volana ity. Nihena kosa ny vidin’ny gazoala sy […]
TARATRY ny KANTO
Niverina ny Sehatra BaGasy. Noho ny tranga nisy teto amin’ny firenena. Nisy fiatoana tao anatin’ny volana vitsy ireo hetsika fanaon’ny Sehatra BaGasy. Ny sabotsy 1 novambra teo no niverina izany ka ny « Atrikefa malalaka » no nisantarana ny volana novambra, tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola. Fifampizarana sy fifanakalozana traikefa […]
Satria tsy nandray andraikitra ? Samy dodona amin’ny famerenan-kasina
Mipoitra ny atsy. Mihetsika ny aroa. Samy te haneho fa ilaina haverin-kasina ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao ary ny soatoavina Malagasy. Fotoana fanatanterahina izany izao. Hafa mihitsy ny Malagasy ! Kolontsaina, zavakanto, soatoavina, toerana mirakitra tantara, fomba amam-panao… Maro tamin’ireny no notaina fady tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahan-tany amin’ny endriny vaovao. […]
FANTINA sy FINTINA
Nanazava ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, fa tonga ny fotoana tsy azo ihodivirana hirosoana amin’ny fifidianana madio, eken’ny rehetra ary mangarahara. Anisan’ireo efa miomana amin’izany izy ireo ka antony nialan’ny Tim tao amin’ny vovonana Firaisankina, araka ny nambarany ny zoma teo. Noraisin’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama teny Mahazoarivo, ny zoma […]






