Other News

KMF/Cnoe : “Mila hanaovana fitsirihana ny andrimpanjakana”

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Anisan’ny nambaran’izy ireo ny hitsirihana ny sehatra rehetra. “Miantso ny handraisan’ny fanjakana andraikitra amin’ny fitsirihana ny fitantanana ny raharahan’ny andrimpanjakana rehetra sy ny governemanta izahay”. Io ny fanehoan-kevitry ny eo anivon’ny fikambanana KMF/Cnoe Fanabea­zana olom-pirenena, tarihin’ny filoha nasionaliny, i Name­arison […]

Izay mahasoa aloha…

  Mafy sy sarotra ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Tsy azo antoka hoe mandra-pahoviana; eny, na aza ny fe-potoana roa taona. Miankina amin’ny fahavononana sy fahamatorana ny raharaha. Nefa eo ny fifanomezan-tanana, fifampitokisana, fitozoana… Fanavaozana na fanorenana ifotony no atao. Hatraiza? Mby amin’ny hoe izay miova no afa-kanova, izay vaovao na manana […]

Fanapahan’ny governemanta : Niala tsy ho mpitarika ny Sadc i Madagasikara

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika, ny sabotsy teo. Nisongadina amin’izany ny momba ny andraikitr’i Madagasikara eo anivon’ny Sadc. «Nanapa-kevitra ny governemantan’ny Repoblika fa hiala amin’ny fiadidiana ny Sadc. Andraikitra noraisina ny 17 aogositra teo tamin’ny fihaonana an-tampony nataon’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc izany », hoy ny […]