Hosokafana ny tolakandron’ny sabotsy 22 novambra izao ny taom-piantsana 2025-2026 ho an’ny Faribolana Sandratra. Amin’ny alalan’ny antsam-paribolana nampitondraina ny lohateny « Antso laitra », ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy, tohatohabaton’Antaninarenina (CGM), no hanatanterahana izany. Araka io lohateny io, tsy hanalavitra ny tontolon’ny fianarana ny lohahevitr’ireo tononkalo hohantsaina amin’io fotoana io. Mahatratra 30 ny […]
Other News
Fomban-drazana: Hanandratana ny hasin’ny vahoaka ny “Alakaosibe”
Tsinan’alakaosy, amin’ny fanandroana isa lava. Miezaka mamerina ny “Alakaosibe”, fomba natao hanandratana ny vahoaka ireo mpitana sy mamelo-maso ny fomban-drazana. Fomban-drazana fanao eo amin’ny tsinambolan’ny alakaosy, izany hoe, mijoro eo amin’ny vava andro alakaosy ary reniandro alakaosy ny “Alakaosibe”, raha ara-panandroana. Araka ny fanazavana nomen’ireo mpandala ny fomban-drazana, izay mivondrona […]
FANTINA sy FINTINA
Nosalorana ny samboady maha loholona azy, i Bevoavy Joel. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ Anosikely ny lanonana momba izany. Tsiahivina fa misolo ny loholona teo aloha, lasa minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Raharinirina Sidonie, ity loholona vaovao ity, manomboka izao. Nambaran’ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, fa tokony hatsahatra amin’izay ireo fitakiana […]
HCC : “Misitraka ny tombontsoan’ny filoha ireo mpanolotsaina avo”
“Ny kolonely Lucien Rabearimanana, ny kolonely Dr Marcellin Zafitosondry Ranoelson Manantenasoa, ny kolonely Thierry Rampanarivo Solofoniaina, ary ny lietnà-kolonely Gervais Andriamiarisoa no nomena ny anaram-boninahitra ho mpanolotsaina avo momba ny Fanavaozana, miaraka amin’ny lamina mifanaraka amin’izany sy ny karaman’ny filohan’ny Repoblika”. Io ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana […]
Fandoto iray tandroka monja
Tandremo ny singam-bolo mety handavo ny vositra! Mahalasa saina ny zava-nitranga omaly maraina, teny Ankasina. Tapakandro monja dia nikatso ny fiainan’ Antananarivo Renivohitra, noho ny fitokonan’ny mponina. Tapaka tanteraka ny lalana iray, teny an-toerana. Poa toy izay, nihitsoka ny tontolo andro. Ora maro no very ho an’ny mpiasa, ny […]






