Mampiasa teknolojia vaovao ny orinasa Airtel Madagasikara. Ampiasaina voalohany eto amintsika ny fitaovana VoLTE (Voice over LTE), ampiasaina amin’ny fifampiresahana amin’ny finday. Mampiavaka azy, azo atao ny mifampiresaka amin’ny finday, mazava tsara ny feo (HD), amin’ny alalan’ny tanjaka 4G. Na eo am-piresahana aza, azo atao ny manao zavatra hafa anaty […]
Other News
Tetikasa GAS : Hapetraka ny sekoly maitso
Hatao sekoly filamatra ny CEG Nanisana. Natao sonia teny an-toerana, ny zoma 12 septambra teo, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) sy ny fikambanana Green for Healthy of Madagascar (GHM). Mifantoka amin’ny fametrahana sekoly maitso ny fifanarahana, amin’ny alalan’ny tetikasa “Green Action School […]
Toliara : Loabary an-dasy momba ny harena ambanin’ny tany
Mitohy ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny harena an-kibon’ny tany any Atsimo Andrefana. Nifantohana ny fitantanana, ny fanabeazana ary ny fifanakalozam-baovao miteraka fampandrosoana. Efa nisy ny loabary an-dasy mahakasika ny harena ambanin’ny tany, nataon’ny tetikasa Taratra, tany Benetse, kaominina Ankilimalinike, kaominina Belalanda, Ranobe ary Tsiafanoka. Namolavola azy ny Eglizy Katolika, tamin’ny alalan’ny […]
HCDDED tany Antsiranana : Niadiana hevitra ny demokrasia
Marihina anio ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia, izay ankalazaina any Antsiranana. Mandalo eto Antsiranana, amin’izao fotoana izao, ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra, ny mpanolotsaina ambony eo anivon’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna (HCDDED). Mitarika izany, ny filohany Ranadialson Angelo. Anton-dian’izy ireo ny hanatanteraka atrikasa […]
Tsy fahasalaman’ny Me Kira : Hikarakara azy ny minisiteran’ny Foloalindahy
Ao anatin’ny tsy fahasalamana ankehitriny ny Me Kira Michel, kapitenin’ny ekipam-pirenena fahiny amin’ny baolina kitra ary efa nitondra avo ny lazan’i Madagasikara, tamin’ny fotoanandrony. Taorian’ny antso vonjy nataony, horaisin’ny minisiteran’ny Foloalindahy manontolo ny fitsaboana azy. Omaly, tonga nijery azy teny an-tokantranony, ny jeneraly Andriamasimanana William Michel, tale jeneralin’ny rantsamangaikan’ny fiarovana […]






