Other News

Basikety N1A 2025: Tompondaka ny GNBC sy ny CosPN

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, sokajy lahy sy vavy. Voahosotra ho tompondaka, nandritra izany, ny ekipan’ny GNBC, vehivavy, sy ny CosPN, lehilahy. Avo lenta tanteraka ny lalao famaranana nizotra teny amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena, omaly, ho an’ny taranja basikety, […]

TARATRY ny KANTO

Nisongadina ireo Malagasy mpandihy, nandritra ny «Festival Bouzé» natao tao La Réunion, ny sa­botsy 13 septambra lasa teo. Tompondaka teo amin’ ny sokajy «Afro style» i René. Nandresy tamin’ny sokajy « Hip Hop Free Style » kosa i Andoniaina. Ankoatra izay, nahazo ny laharana fahatelo tamin’ny sokajy brea­king ihany koa, i Bibrock. […]

« Angaredona Mozika Festival » : Hanasongadina ny fahasamihafana ara-javakanto

Harena ny fahasamihafana. Aty amin’ny tontolon’ny za­vakanto sy ny kolontsaina no tena voamarina indrindra izany. Izay mantsy no hasongadina mandritra ny «Angare­dona Mo­zika Festival», nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny sa­botsy 13 septambra teo, teny Ambohimanga. Hita taratra sahady, teny am-panombohana, ilay «kolontsaina mampiray firenena», araka ny lohahevitra hovoizina mandritra ity […]

« Tafan-gilita fifaninanana »: Nandrombaka ny voalohany i Hira

Mafy ny fifaninanana! Fa nisongadinana kokoa noho ireo namany, ka nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ilay fifaninanana mitendry gitara, anatin’ny hetsika « Tafan-gilita Festival »,  i Hira. Tsara toerana hatrany izy nanomboka tany amin’ny dingana voalohany ka hatramin’ny famaranana, omaly. Nitovitovy ny safidin’ny mpitsara sy ireo mpankafy, izay nifidy teny Mahamasina. Mbola tanora […]

« Tafan-gilita Festival » andiany voalohany: Nomem-boninahitra ireo andrarezina amin’ny gitara

Hetsika misy faka, mibanjina ny hoavy. Nanaovana poa-tsatroka ireo nitondra avo ilay « Revy gilita » teto an-tanàna. Azo antoka ny mpandimby. Fahombiazana. Izay no mahafehy ny «Tafan-gilita Festival» andiany voa­lohany, izay tontosa ny faran’ny herinandro teo. Na teo aza ireo fingana sy fandripandrika isan-karazany natrehin’ny mpikarakara sy ireo mpisehatra, tafakatra ambony […]