Nesorin’ireo tsy valahara ny taovam-pananahan’ny zaza fito taona hita faty tao Mahatazana, kaominina Andilamena, faritra Alaotra Mangoro, ny marain’ny alahady 7 septambra teo. Mpivarotra ny ray aman-drenin’io zazalahy io ka matetika ajanon’ny ray aman-dreniny ao an-trano ireo zanany. Tsy tsikaritry ny manodidina, araka izany, ny tsy fahitana ilay zaza raha […]
Other News
Depot fahefatra: Anjakan’ny jiolahy tanteraka
Lasa faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ny ao amin’ny Toamasina ankehitriny. Nidiran’ny andian-jiolahy mirongo fiadiana ny tokantrano iray tany amin’ny fokontany Depot fahefatra, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo. Notafihan’ireo jiolahy ireo ny renim-pianakaviana mpikirakira tranoheva fanakalozam-bola sy fahana finday. Lasan’izy ireo ny finday miisa dimy tao an-tokatrano, sy vola […]
Faran’ny herinandro : Namoizan’aina olona efatra ny lozam-pifamoizana
Nisesisesy ny trangana lozam-pifamoizana tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Nahatratra efatra ireo olona namoy ny ainy vokatr’izany. Olona telo maty vokatry ny fianjeran’ny taksiborosy tany anaty hantsana. Maty vokatry ny fifandonana teny amin’ny RN7 ny Pretra iray hafa. Niharan-doza teo amin’ny fokontany Ambatomivaha, distrikan’i Manjakandriana teo amin’ny lalam-pirenena faharoa ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nampiaiky izao tontolo izao ny fanajana ny zon’olombelona eto amintsika, araka ny lahatenin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis tany Belo Tsiribihina, ny zoma teo. « Tena miroso amin’izany isika, indrindra ny fanajana ny olona eny amin’ny fonja », hoy izy. Hiara-kiasa hiady amin’ny kolikoly ny eo anivon’ny Bianco sy ny Fadintseranana […]
Fivoriambe hatao any New York : Hamaritra ireo laharam-pahamehana ny ONU
Hanomboka rahampitso, any New York, ny fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU), andiany faha-80. Miisa 193 ireo firenena handray anjara amin’izany ka anisany i Madagasikara. Anisan’ny lohahevitra lehibe amin’ity fihaonana an-tampony ity ny 80 taonan’ny ONU, nanehoana ny fiaraha-mientana ho amin’ny filaminana sy fandriampahalemana ary koa ny fampandrosoana sy ny fiarovana ny […]






