Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny tetikasa S2Nap sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Tanjona ny hiarovana sy hitantanana maharitra ny ala honko any amin’ny faritra Menabe. Anisan’ny fomba mahomby hampiharana izany ny fanentanana ny ankizy mpianatra. Nisy ny fanabeazana ara-tontolo iainana ho an’ny mponina any amin’ny […]
Other News
Hamahana ny delestazy: Vahaolana ny toby mandeha amin’ny herin’ny masoandro
Ezahina tsikelikely ny ialana amin’ny famokarana herinaratra mandeha amin’ny solika. Vahaolana ny angovo azo havaozina, toy ny avy amin’ny herin’ny masoandro sy ny rano. Anisan’ny hamahana ny fahatapahan’ny jiro lavareny ny famokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro. Ho an’Antananarivo, misy ny toby eny Ampangabe, mamokatra 11,5 MW, ka efa vita ny […]
TARATRY ny KANTO
Miantso ireo mpanakanto namany i Nate Tex. « Ho an’ireo zoky, raiamandreny, zandry, mpiara-miasa eo amin’ny sehatry ny hira, dihy, sary, asa soratra, sns, fotoana re izao hitenenana. Be mpanaraka ianareo ary maro mpihaino rehefa miteny. Mitenena », hoy ny antso nataon’ity mpanakanto ity. Anisan’ireo tazana foana niara-dia tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana i […]
Tarika Ramilison – Tarika Rossy: « Nitaiza sy nanampy olona maro i Mamamely… »
Meltine Rasoloarisoa no tena anarany. Mely, Mamamely, Totoa Mely, samy anarana fiantson’ireo akaiky azy avokoa izany. Nodimandry ny alakamisy teo ity mpanakanto ity, araka ny efa notaterina omaly. 58 taona i Meltine izao nandao ny tany izao, rehefa avy nolazoin’ny aretim-po fotoana ela, raha ny nambaran’ ny fianakaviana. Mpanakanto nandova […]
Antanetibe Mahazaza: Hanafana ny « Fetiben’ny atody » ry Njakatiana sy Mahaleo
Fiompiana, fambolena, hainahandro, fialamboly, zavakanto, kolontsaina… Tafiditra anatin’ny hetsika « Fetiben’ny Atody » avokoa ireo. Hisokatra anio izany, eny Antanetibe Mahazaza. Ny atody sy ny tontolony. Manodidina izany ny « Festival des œufs » na ny « Fetiben’ny atody », izay hiditra amin’ny andiany fahefatra, eny Antanetibe Mahazaza. Andro iraisam-pirenena ho an’ny atody rahateo ny 10 […]






