Other News

Atletisma – Mada Jeunes: Voalohany Atsimo Andrefana

Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Alarobia ny fifaninanam-pirenena taranja atletisma, sokajy zandriny (Mada Jeunes). Fifaninanana nokarakarain’ny Federasionina malagasy (FMA). Nisongadina ny zava-bitan’ny ligin’Atsimo Andrefana izay nitana ny laharana voalohany, nahazo volamena 19. Saika nanjakan’izy ireo ny teo amin’ny halavirana lavitra sy ny hazakazaka mifampitohy. Nanaraka azy ny […]

CHAN 2025 : Tafakatra famaranana ny Barean’i Madagasikara

Voalohany eo amin’ny tantaran’ny baolina kitra malagasy. Hiatrika ny famaranana amin’ny fiadiana ny ho tompon­dakan’i Afrika, ho an’ny mpilalao tsy matihanina (Chan 2025), ny Barean’i Madagasikara. Resiny teo amin’ny manasa-dalana ny Faucon de Jediane-n’i Soudan. Nanoratra tantara vaovao eo amin’ny baolina kitra malagasy sy eto amin’ny kaontinanta afrikanina ny Barean’i […]

FANTINA sy FINTINA

Mifampizara traikefa ao Mahajanga ireo gover­noran’ny faritra miisa 23. Ifanakalozana amin’izany ny momba ny fampandrosoana sy ny fanatante­rahana ny Politika ankapoben’ny fitondram-panjakana (PGE). Tsiahivina fa miisa 24 ireo faritra saingy tsy mbola voatendry ny governoran’ny faritra Ambatosoa ahitana an’i Maroantsetra sy i Mananara. Nametraka fanamby ny loholona, Rakoton­drazafy Lalatiana fa […]

admnistratera sivily: Natao hiasa ho an’ny vahoaka

“Natao hiasa ho an’ny fanjakana sy ny vahoaka ny admnistratera sivily. Afa-miasa amin’ny andrimpanjakana re­hetra misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana izany: manana ny maha izy azy”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Anteni­mierampirenena izay admnistratera sivily rahateo, i Tokely Justin, ny amin’ny toeran’ny admnistratera sivily manoloana ny birao vaovaon’ny sendikà […]

Fiainam-bahoaka aloha…

  Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piai­nana, famatsian-jiro sy rano… Mbola mampikaikaika ny maro eny ifotony. Mby aiza ny vahaolana mahomby, azo antoka, maharitra… ? Na izay fihatsaram-piainana ahay… Efa mba misy hita sy tsapa? Na mifanitsy amin’ny filan’ ny vahoaka amin’ny hoe fampandrosoana izay atao sy imasoan’ny fitondram-panjakana isan-tsehatra sy isan’am­baratonga. […]