Nitondra ny heviny ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nambarany fa mpikambana eo anivon’ny ONU isika ka tsy afa-miala amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. «Hanao sahala an’i Burkina Faso isika raha hiala tanteraka amin’ireo iraisam-pirenena ireo. Mbola sarotra ho an’i Madagasikara anefa izany», hoy izy. Ilaina ny tsy fitovian-kevitra mba hisian’ny fifanakalozana […]
Other News
MFM: “Miantso ny FFKM hampanao dinika politika aloha… “
“Somary sahirana ihany izahay mpanao politika amin’izao. Tsy mazava ny fomba hitondran’ny FFKM ny fikaonandoham-pirenena”. Izay ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, manoloana ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Na izany aza, misy zavatra tokony hojeren’ny FFKM ihany. Satria tsy resaka sosialy na toekarena na kolontsaina no hatao, fa […]
Tsy mahandry tantana
Fisolelahana sa tsy fandrasana tantana? Nanaitra ny nahita ireto vondrona politika efa natory, nifoha tampoka nihiakiaka ny ho filatsahan’i Kolonely hofidina filoham-pirenena. Natao nanakoako izaitsizy ny fanambarana. Nanoatra noho ny amin’ny vanim-potoana milamina sy mahazatra. Tahaka ireny efa manana lalàmpanorenana sy lalàm-pifidianana raikitra ireny ilay Madagasikara. Mamofompofona tsy Fanavaozana. Tamin’ny […]
Nankatoavin’ny Antenimiera: Ho amin’ny teny malagasy ny taratasim-panjakana
Nolanian’ireo solombavambahoaka, omaly, teny Tsimbazaza, ny tolo-dalàna momba ny fampiasana ny teny malagasy. Misongadina amin’izany fa ho amin’ny teny malagasy avokoa ny taratasim-panjakana rehetra. Nambaran’ny depiote, Rakotoaritiana Navalona Francky, nitondra izany tolo-dalàna izany, fa anisan’ny tanjona ny fanamafisana ny toeran’ny teny malagasy amin’ny sehatra ofisialy sy ny fiainam-pirenena. Voarakitra ao […]
TSELATRA
Nanamafy fiaraha-miasa ny minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny Onudc (Rantsan’ny Firenena mikambana misahana ny ady amin’ny heloka bevava sy ny zava-mahadomelina) aty Afrika Atsinanana. Noraisin’ ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police Erick Michel tao amin’ny biraony tetsy Anosy, omaly, ny solontena maharitry ny Onudc, Ali El-Bereir. Miompana […]






