Nanakoako indray ny anaran’i Madagasikara nanomboka ny sabotsy lasa teo. Tsy teto Afrika ihany izany laza izany fa maneran-tany, noho ilay fandresena azon’ny Barea ka hiakarany amin’ny dingana manaraka. Koa arahabaina toa olo-mahery ê! Mivoaka maro mpitazana, mandeha maro mpanaraka, miady maro mpanohana, miasa maro mpanampy. Tsy nijery izay mpanenjika […]
Other News
Baolina kitra – “CHAN 2025”: Tafita amin’ny ampahefa-dalana ny Barea
Manohy ny diany hatrany ny Barean’i Madagasikara eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Nandresy an’i Burkina Faso, teo amin’ny andro farany, ary tafita hiatrika ny ampahefa-dalana ny Barea. Toy ny tamin’ny taona 2023, tafakatra amin’ny ampahefa-dalana hiadiana ny ho […]
Judo Club Esca : Politika vaovao ny fandefasana ny atleta amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena
Judo Club Esca, hita eny amin’ny Esca Antanimena. Miezaka mamolavola sy mampitombo ny traikefan’ny mpikatroka ao aminy. Politika vaovao hitan’ny mpitantana fa hahafahana mampiakatra ny lenta ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena, araka ny nambaran’ny filohany. Klioba matanjaka sy lohalaharana eto Analamanga ny Judo Club Esca. Niforona ny taona 1960 izy ireo, […]
TSELATRA
Mamita sazy any am-ponja ny tompon-trano ka nalain’ny olon-dratsy roa lahy ny entana sarobidy, tao Marotandrano, kaominina Mandritsara, ny zoma 15 aogositra teo. Nifanehatra tamin’ny zandary mpanao fisafoana alina ny olon-dratsy ka voasambotra. Ady amin’ny tsy fandriampahalemana, nanangana zana-tobim-paritra iray ao Ambatofotsikely ny zandarimaria ao Ankazomiriotra. Hanampy ny fokonolona eny […]
Fanimbana fananana iombonana: Mpangalatra jiro tratra tetsy Anosy
Nentina eny anivon’ny kaomisaria Central Tsaralalàna ny lehilahy mpanimba fananana iombonana tratra tetsy Anosy, omaly maraina tamin’ny 3 ora sy 45 minitra. Miandry maizimaizina sy tsy misy mpandalo, nasesin’io tsy valahara io nalaina ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro manazava ny lalana manodidina ny farihin’Anosy. Mihanika ny andrin-jiro izy ary […]






