Other News

Fanondranan’entana mankany Etazonia: Nihatra nanomboka ny 7 aogositra ny haba 15%

Tsy tataovana ilay haba vaovao 15% fanampiny, napetrak’i Etazonia, ny harena an-kibon’ny tany, ny fitaovam-pianarana sy ny sosialy. Anisan’ny iharany kosa ny lavanila. Nanome fanazavana mi­simisy kokoa ho an’ny Fadintseranana mala­gasy, mahakasika ilay haba vaovao, tataovana 15%, ny rafitra amerikana Customs and Border Protection (CBP). Ampiharina ho fanampin’ireo haba efa […]

Tolokevitry ny Ceni: Hatao amin’ny novambra ny fifidianana loholona

Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa efa nandefa ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana ireo ho loholona eny anivon’ny governemanta izy ireo. Tokony hotontosaina ny volana novambra ho avy izao izany, araka ny tolokevitr’izy ireo. “Miandry ny fanapahan-kevitry ny rafitra mpanatanteraka momba izany izahay”, hoy ny mpampakan-tenin’ny Ceni, Soava Andriamarotafika ny faran’ny […]

ASIEF : Hatao any Manakara ny Asief 2026

Ao anatin’ny famaranana ny fifaninanana avokoa amin’izao fotoana izao, ny taranja rehetra amin’ny fifaninanana Asief (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires) tanterahina any Mahajanga. Nisy ny dinika nifanaovana ka efa fantatra sahady fa any Manakara no hanatanterahina ny Asief 2026, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean […]

Rallye vacances: 33 ireo mpanamory hiady lohany

Mahatratra 33 ireo mpanamory nisoratra anarana handray anjara amin’ny “Rallye vacances”, andiany faha-18. Fihaonana karakarain’ny klioba Gojang hatao any Mahajanga ny 14 ka hatramin’ny 16 aogositra ho avy izao. Dingana fahatelo amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny hazakazaka fiarakodia izy ity. Tazana ao anaty lisitra avokoa ireo kalaza lahy amin’ny rallye. Anisan’izany, i […]

Baolina kitra afrikanina: Fanalamanga vs Ferroviaro, Elgeco Plus vs Silver Striker

Tontosa ny sabotsy lasa teo, tatsy Afrika Atsimo, ny antsapaka nahalalana ireo hifandona amin’ny fifaninanana afrikanina, taranja baolina kitra ho an’ireo klioba tompondaka sy tompon’ny amboara. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany ny solontena roa ho an’i Madagasikara dia ny Elgeco Plus sy ny AS Fana­lamanga. Raha ho an’ny fiadiana ny ho […]