Other News

Asa fivarotana eny Analakely sy ny manodidina : Mahazo tombony 10 000 Ariary isan’andro ny mpivarotra kafe iray

Rano fisotro efa mahazatra ny Ma­lagasy amin’ny an­kapobeny ny kafe. Misy amin’ireo mpi­sehatra amin’izany no milaza fa mahita tombony manodidina ny 10 000 Ariary isan’ andro. Misy tom­bon­tsoa sy voka-dra­tsy anefa izy ireny. Anisan’ny zava-pisotro tsy misaraka amin’ny Malagasy sasany ny kafe. Matetika dia ny maraina na ilay avy miasa […]

Menabe: Mahatratra 21 000 t ny vokatra tsaramaso

Faritra anisan’ny tena ma­mokatra voamaina toy ny tsaramaso, ny kabaro, ny voanjo, sns, ny faritra Menabe. Maha­kasika ny tsaramaso, nahatratra 21 000 taonina ny vokatra tany an-toerana nandritra ny taom-pambolena 2024, raha 10 000 taonina izany tao amin’ny distrika Miandrivazo. Ani­san’ny tena mamokatra tsaramaso ny tantsaha any amin’ny lemak’i Betsiriry, distrika Mian­drivazo. […]

Alaotra : Ady amin’ny doro tanety sy doro ala

Nitsidika ireo kaominina telo manodidina ny Faritra arovana any Alaotra: ny any Morarano Amparihitsokatra, Manga­lahala Ambandrika ary Amparihimpony Ambohidava, ny fitantanam-paritra, Dredd Alaotra-Mangoro, ny 29 jolay hatramin’ny 2 aogositra teo. Nentanina ny fokonolona manoloana ny ady atao amin’ny doro tanety sy doro ala ary ny doro zetra. Nasongadina fa manana […]

Fehin-kevitra “SIW Sadc” : Hafainganina ny fisitrahan’ny mpikambana ny tsenam-paritra

Vita ny “Herinandron’ny indostrian’ny Sadc”. Nohamafisina ny fiaraha-miasa sy ny fisitrahana ny tombontsoa indostrialy ao anatin’ny tsenam-paritra. Niara-nikarakara ny “He­ri­nandron’ny indostrian’ny Sadc (SIW 2005)” natao ny 28 aogosistra hatramin’ny 2 aogositra teo, teny amin’ny No­votel Alarobia, ny governemanta malagasy, ny Tonia mpanatanteraka anivon’ny Sadc ary ny Filankevitry ny Sadc. Loha­hevitra […]

SOMBIM-BAOVAO

Hifarana rahampitso alakamisy ny fisoratana anarana ho an’ny “Rallye vacances”. Dingana fahatelo, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny familiana fiarakodia. Fifaninanana hatao any Mahajanga, ny 13 ka hatramin’ny 15 aogositra ho avy izao. Mikarakara izany ny klioba Gojang. Tsy tafita hiatrika ny lalao manasa-dalan’ny fifaninanana Basikety, amin’ny CJSOI, ny nosy […]