Hotanterahina ny 28, 29, 30 aogositra 2025, ao Tsihombe Androy, ny «Festival Rebeke» andiany faha-9 izay karakarain’i Tsimihole. Hetsika natokana ho an’ny gadona Beko izay mampiavaka ny faritra atsimon’i Madagasikara ary lova navelan’ny Antandroy izy io. Ivondronan’ny mpibeko, ny mpiantsa, ny zokiolona ary ireo tanora manan-talenta manodidina amin’ny ady amin’ny […]
Other News
zavakanto sy Kolontsaina: Misongadina ho azy ny mahay
Ny famaritana ny « mahay » aza efa nanjary sarotra be! Ny « doka » indray, efa zary rivotra iainan’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Vao mainka hampiarahina izy roa ireo… Mety ho avy amin’ny « doka » no ilazana fa mahay ? Ity tranga ity, tsy an’ny Malagasy fa vao […]
TSELATRA
Raim-pianakaviana 44 taona saika hanolana ny zanany vavikely 11 taona voasambotry ny zandary teny amin’ny Petite Plage Amborovy, ny 30 jolay lasa teo. Poritra te hivoaka ilay ankizivavy ka nentiny tany ivelan’ny trano fonenana, somary mihataka ny tanàna. Naboridany ary efa nampatoriany teo ambonin’ ny latabatra fivarotana iray. Nisy nahatsikarita […]
Fokontany Marovato- Miarinarivo: Tovolahy 17 taona hita faty nisy diam-bala
Hita faty tao anaty kirihitr’ala i Boeza, tovolahy vao 17 taona, tao amin’ny fokontany Marovato, kaominina ambanivohitra Miarinarivo, disitrika Andilamena, faritra Alaotra Mangoro, ny 2 aogositra teo. Nahitan’ny fokonolona diam-bala ny vatan’io lehilahy namoy ny ainy io. Nasitrika tao anaty kirihitr’ala, tao aorian’ny namonoana azy, io tovolahy io. Ankizy haka […]
Nahatrarana vola sandoka : Naiditra am-ponja ilay mpisoloky
Niakatra fampanoavana omaly, notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray mpisoloky sady nahatrarana vola sandoka ana hetsiny tao Ambilobe tampon-tanàna. Nanatona toeram-pandefasana vola iray io lehilahy io ny alakamisy 31 jolay lasa teo. Nilaza hametraka vola anatin’ny findainy izy. Mailo ny mpiasa tamin’ilay Cash point satria hafahafa ny fihetsik’io lehilahy […]






