Other News

« ASIEF 2025 » : Milamina tsara ny fandraisan’i Mahajanga ny fifaninanana

Miditra amin’ny famaranana ny fifanintsanana avokoa, amin’izao fotoana izao, ireo taranja hifaninanana amin’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), tanterahina ao Mahajanga. Nam­baran’ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga, Tia Solofomanga Heriniaina, fa milamina tsara hatreto ny fandraisana ity lalao nasionaly ho an’ny mpiasam-panjakana ity. Ampy tsara, hoy izy, ny fotodrafitrasa […]

CJSOI-Seychelles : Mitotaly 37 ny medaly azon’i Madagasikara

Mitobaka toy ny rano ny isan’ny medaly azon’i Madagasikara, atsy Seychelles, amin’ity Lalaon’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI) ity. Taorian’ny andro fahadimy, izay natao omaly, efa mahatratra 37 medaly, volamena 12, volafotsy 14, alimo 11 ny azon’ ny Malagasy atleta. Raha hiverenana kely ny andro omaly, nandrombaka medaly 10 […]

Fifanintsanana U17- Cosafa : Tafalatsaka anaty vondrona maozatra ny Barea zandriny

Tsy mitsahatra mandray anjara amin’ny fifaninanana afrikanina ny Barea sokajy zandriny. Ny volana septambra ho avy izao, hiady ny tapakila hiatrehana ny Can U17, anatin’ny fifanintsanana “Cosafa” ny Barea. Hotontosaina any Ha­rare Zimbabwe, ny 11 hatramin’ny 20 septambra ho avy izao, ny “Co­safa U-17 Youth Cham­pionship”. Ani­san’ireo handray anjara amin’izany […]

TARATRY ny KANTO

Nahazo boky miisa 27, avy amin’ny japoney ny Tranombokim-pirenena malagasy. Hanampy isa ireo boky ao amin’ny tahala ho an’ireo firenen-kafa, ao Anosy izany. Hanampy betsaka ireo mpikaroka, mpianatra na mpampianatra, amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany. Efa nanomboka ny taona 2021 no tafiditra ho anisan’ireo firenena hampahafantarina ao amin’ity tahalan’ny Tranombokim-pirenena malagasy […]

« Misia ny Mazava »: Seho fiomanana ho an’ny Voice of God

“Misia ny mazava. Teny mahafehy ny antom-pisianay sy iraka mafy ato am-ponay. Antso hamelona fanantenana indray”, hoy ny fanambarana ao amin’ny pejin’ny Voice of God na Vog. Antony nisafidianan’izy ireo ny lohahevitra hanompanana ny fampisehoana izay hotontosain’ny Vog ny sabotsy 9 aogositra izao izany, manomboka amin’ny 5 ora hariva, eny […]