Other News

Toekarena iraisam-pirenena: Maivana ny entana avy aty Afrika

Madagasikara, ao anatin’ny toekarena mihodina amin’ny alalan’ny fanafarana sy fanondranana, saingy hita fa mati­an­toka noho ny fa­na­farana be loatra (1 219 dolara tamin’ny 2024). Fatiantoka na­nomboka ny taona 2005, mitohy hatramin’izao sady mi­tom­bo ihany. Ny hoe fanafarana entana, tsy azo afangaro amin’ny vo­katra misy. Mandalo amin’ny sampandrahara manokana ny fanafarana […]

Santa-bary : Tafakatra 8,6 t/ha ny voka-bary safiotra any Alaotra

Niakatra ny vary safiotra, nambolena ny volana febroary teo, tany amin’ny kaominina Ambohijanahary, faritra Alao­tra Mangoro. Tsara ny vokatra, ary efa homanina sahady ny taom-pambolena manaraka. Fararanom-pifaliana ny any amin’ny kaominina Am­bo­hijanahary, distrika Amparafa­ravola, faritra Alaotra Man­goro, ny 30 jona teo. Nilaza ny ben’ny Tanàna, Raholison Tahiry, fa nankalazana ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Mifindra ao amin’ny Terminal international (TA) taloha, ao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, manomboka ny 2 jolay, ny sidina anatiny rehetra. Voakasik’izany ny sidina MD 313 avy any Antsiranana andrasana ho avy ny andron’io. Hisy ny lamina apetraka eny an-toerana hanamorana ny fivezivezena ao anatin’ny Terminal. Manodidina ny 550 ka hatramin’ny 600 […]

Toekarena manga: 640 000t isan-taona ny fako plastika anaty ranomasina

Fatiantoka ho an’ny firenena iray ny fako plastika miparitaka an-dranomasina. Mamo­no ny hazandrano izany sady ma­nimba ny rohivoahary no mbola mamotika ny fiharian’ny mponina. Izany indrindra no antony hanatanterahana ny fivorian’ny « Glolitter Partne­ships », andiany faharoa, eto amintsika mandritra ny dimy andro, etsy Anko­rondrano. Lohahevitry ny atrikasa «ny hampihenana sy ha­nafoanana […]