Other News

Ascent Madagascar : 250 tapitrisa dolara hanamafy ny fisitrahana angovo

Mitentina 250 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola nomen’ny Banky iraisam-pirenena hanohanana ny tetikasa « Accelerating Sustainable and Clean Energy Access Transformation in Madagascar » (Ascent Madagascar). Tanjona ny hisitrahan’ny malagasy maherin’ny 2,5 tapitrisa ny herinaratra sy hampiasana ny angovo madio ho an’ny sakafo. Hiasa amin’ireo tanàn-dehibe sy faritra ambanivohitra ny tetikasa. […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy mankasitraka ny firotsahan-kofidian’ireo manana andraikitra eto amin’ny firenena ny depiote voafidy ao Arivonimamo, Rajerison Antoine. Nam­barany fa tsy mety sady tsy azo antoka izany. «Tokony hilaza mazava izy ireo na ho kandidà na tsia sao ahina hiteraka krizy hafa eto indray», hoy izy. Tokony hivoaka aorian’ny fikaonandoham-pirenena ny datim-pifidianana, […]

Fitorian’ny depiote Rajerison Antoine : Andrasana ny valin-teny avy amin’ny HCC

Miandry ny valin’ny fitoriana napetrany eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ny depiote Randriamampianina Rajerison Antoine, voafidy tao Arivonimamo, avy amin’ny tsy miankina. Anton’izany fitoriana izany ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy firenena ataon’ny Fitondrana Fanavaozana amin’izao fotoana izao. «Tsapantsika ireo fihoaram-pefy sy fandikana ny Lalàmpanorenena ataon’ny fitondra ankehitriny. […]

Fitakiana fitokiana

  Tato ho ato, nahery vaika sy nisesisesy ny fitsikerana ny fitondrana. Amin’izany, mazava ny tenin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika fa tsy mivaona amin’ny fanavaozana ny fitondrana tarihiny. Eo ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena hanomboka amin’ny 3 jona. Toy izany koa ny fanomanana ny zotram-pifidianana, efa an-dalana amin’ny fanavaozana manontolo ny […]