Other News

Lalaon’ny CJSOI: Nahazo medaly 15 sahady i Madagasikara

Nirarakompana ny medaly azon’ny Malagasy tamin’ny andro fahatelon’ny « CJSOI », tanterahina atsy Seychelles. Nisongadina ny Mala­gasy atleta mpimbata fonjamby. Nahazo vokatra tsara ihany koa ny Barea sy ny Ankoay. Telo andro izay no vita, nandrombaka medaly 15 sahady, volamena 9 sy volafotsy 6, i Madagasikara, amin’ity fifaninanana ho an’ny tanora aty […]

Fianarana Teolojia : Nosokafana ny taom-pianarana vaovao

Notanterahina ny sabotsy teo, tetsy Ambatonakanga, ny fotoam-pivavahana nanokafana ny taom-pianarana vaovao ho an’ny sekoly ambony momba ny teolojia sy ny hay fivavahana (Esther). “Antoky ny firenena tsara tantana sy ny fierenandoha ara-toekarena eto Madagasikara ny fianarana ny teolojia”, hoy Randriamampionona Alfred, talen’ny ivontoeram-pampianarana. “Manampy amin’ny famolavolana ny olom-pirenena ho […]

Rajoelina Mialy : Nivoaka tamin’ny fahanginana!

Nampiaka-peo ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina R.Mialy, afakomaly. Tsy tokony hampidirina amin’izay raharaha tsy mahakasika azy ireo ny zanany. Manameloka ireo mpanely vaovao diso izy. Tsy mba fanaony! Ni­voaka tamin’ny fahanginana ny vadin’ny filo­han’ny Repoblika, Rajoelina Mialy, tamin’ny sabotsy lasa teo. Namaly ireo mpikirakira tambajotran-tserasera izy, manoloana ny filazana mahakasika ny […]

FANTINA sy FINTINA

Maromaro ireo mitaky fanadihadiana par­lemantera momba ireo “Boeing 777”, miisa 5 any Iran. Anisan’izany ny depiote “Del kely”. Nambarany fa tokony hirosoana izany ary hamoahana didy tsy fahazoana mivoaka eto ny ministry ny Fitaterana. Tahaka izany koa ny antoko Leader Fanilo. “To­kony hiditra an-tsehatra ny Bianco sy ny Pac”, hoy […]