Other News

« Salon de l’Habitat & Déstockage Pro 2025 »: Sehatra iray ho an’ny fanavaozana trano

Hotanterahina eny amin’ny Centre de conférence international (CCI) Ivato, ny 23 hatramin’ny 25 oktobra ho avy izao, ny hetsika « salon de l’habitat & déstockage pro. » Sehatra natokana ho an’ny matihanina sy ny olon-tsotra mitady va­haolana amin’ny fanorenana sy fanatsarana trano ity hatao ity, iarahan’ireo orinasa maro. Mikarakara izany ny Mada […]

Ambohimangakely : Lehilahy nahatrarana cocaïne 1,810 kg

Naiditra eny Tsiafahy, ny alatsinainy 21 jolay teo, ny lehilahy mpivarotra rongony mahery vaika tratra teny Ambohi­mangakely. Naharay loharanom-baovao momba io fisiana mpivarotra zava-mahadomelina mahery vaika io ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-ma­hadomelina eto an-dRenivohitra. Nanao vela-pandrika nahafahana nisambotra io lehilahy voatondro io ny polisy, tamin’ny 19 jolay […]

Nirefodrefotra ny basy tao Toamasina: Jiolahy efatra indray lavon’ny polisin’ny Fip

Nisento tokana indray ireo mponina ao Toamasina taorian’ny fahafatesan’ireo jiolahy efatra raindahiny, afakomaly. Teo am-panaovana ny asa ratsiny ry zalahy no nifanehatra tamin’ny polisy. Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Andranomadio, Toama­si­na parisela 11/43, afakomaly alina, nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny polisin’ny Fip notarihan’ny kaomisera Lapely François, sy ireo jiolahy […]

TARATRY ny KANTO

“Manala azy vita bacc”, etsy Antsahamanitra. Anio amin’ny 6 ora hariva ilay fotoana ifanomezana isan-taona. Efa tsy ho an’ireo avy nanala fanadinana intsony, fa ho an’ireo mpankafy ny Olombelo Ricky, tao anatin’izay 34 taona nisian’ny hetsika izay. Toy ny isan-taona, hamerina ireo vanim-potoana feno fahatsiarovana eo amin’ireo mpankafy, amin’ny alalan’ireo […]