Other News

Tenisy – Amboara Davis : Nandresy an’i Seychelles ny Akomba de Madagascar

Manohy ny diany hatrany ny Akomba de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny Amboara Davis, taranja tenisy ho an’ny sokajy fahadimy. Nahazo fandresena indray i Madagasikara nanoloana an’i Seychelles. Hidona amin’i Cameroun ry zalahy amin’ny andro fahatelo. Mitohy ny fahombiazan’ ny ekipam-pirenena malagasy, taranja te­nisy, na ny Akomba eo amin’ ny […]

FANTINA sy FINTINA

Hanomboka anio ny fidinan’ny fitondram-panjakana any amin’ny faritra Ambatosoa. Hotan­terahina any an-toerana ny filankevitry ny minisitra. Hitohy amin’ny fitokanana fotodrafitrasa izany. Anisan’izany ny “Parc solaire”, kianja, hopitaly manara-penitra, tsena. Eo koa ny asa sosialy hanohanana ireo marefo ary arahana fampisehoan’ireo artista malaza. Miantso fitoniana ny mpitondra tenin’ny governemanta, amin’izao handraisana […]

Filohan’ny OJM : “Tsy sakanana hikaroka loharanom-baovao ny mpanao gazety”

“Voalazan’ny And. 7 sy 60 amin’ny lalàna 2020-006 mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery fa tsy sakanana na rarana hikaroka loharanom-baovao ny mpanao gazety”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), Rasoloarisoa Monica Harimbola, teny Anosy, oma­ly, manoloana ny fitarainana mpanao gazety tsy mahazo loharanom-baovao amin’ny “Raharaha […]

Sangodim-panina

  Raha tsy mahay dia fanina tanteraka amin’ny fomba fivoizana vaovao eto Madagasikara. Samy manao izay mahametimety azy avokoa, indrindra fa ireo misora-tena ho mpanao gazety sy mpisintona lakolosy. Samy milalao ny saim-bahoaka sy toe-pon’ny tsirairay. Tsy hita be ihany izay tokony ho inoana. Ny tena mpanao gazety heverina ho […]