Other News

Raharaha Ambohimalaza : Mpianakavy nifamosavy !

Mazava ny tenin’ny filohan’ny Repoblika, fa mpianakavy nifamosavy noho ny disadisam-pitiavana no nahatonga ilay raharaha Ambohimalaza. Zavamaniry misy poizina no nampiasaina namonoana ireo mpilanona. “Zava-maniry Ramiary sy Beladôme no na­fangaron’ilay nahavanon-doza nanapoizinana ny sakafo nafahafatesana olona 32 teny Ambohimalaza”, hoy ny filohan’ny Repoblika, Ra­joelina Andry. “Olana ara-pitiavana, lonilonin’ny mpianakavy no […]

TSELATRA

Roa vavy mpangarom-paosy voasambotry ny fokonolona teny Analakely, Boriborintany voalohany, omaly. Nasaina namerimberina tamin’ny feo avo “Tsy hangarom-paosy intsony izahay”, izy roa vavy. Taksiborosy levon’ny afo tao Brickaville, ny alin’ny alarobia 23 jolay teo. Hanatanteraka ny diany voalohany hampitohy an’Antananarivo sy Toamasina io fiara io kinanjo tratry ny olana teknika […]

Taksiborosy voatafika teny amin’ny RN7: Mpandeha dimy naratra, voaroba ny 4 tapitrisa Ar

Norobain’ny jiolahy maherin’ny folo nitondra basy sy famaky ny taksiborosy iray tao Soanatao, fokontany Ambohi­ma­narivo, kaominina Manan­droy, distrikan’Ambohima­ha­soa, omaly maraina. Taksibo­rosy mitondra mpandeha avy any Ambovombe Androy nikasa hihazo an’Antananarivo io lasibatra io. Nosakanan’ireo olon-dratsy tamin’ny hazo le­hibe teo afoavoan-dalana ny fiara. Novakin’ireo mpandroba ny fitaratry ny fiara. Tsy afa-nihemotra […]

Ankilimalinike : Hiaro ny vahoaka ny « Voromahery »

Handray an-tanana ny fiarovana ny mponina any amin’ny kaominina Ankilimalinike, distrika Toliara II ny «Voroma­he­ry ». Antony, manoloana ny korontana nataon’ny andian’olona avy any Tsiafanoke sy Benetse any amin’ny fari-pitrandrahan’ny orinasa Base Toliara. Nijoro ny 20 jolay teo ny vondrona Voroma­hery, iarahan’ny mponina anaty fokontany 13 sy ny mpitandro filaminana, hitandroana […]

Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy efatra voasambotra teny Ambohimanarina

Ravan’ny zandary eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana. Efa-dahy niaraka naiditra am-ponja. Niakatra fampanoavana, notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny olon-dratsy roa raha toa ka nalefa ao Antan­imora ny roa lahy namany, afakomaly. Mikambana anatin’ny tambajotra mpanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny kaominina Antehiro­ka, ireo olon-dratsy ireo. […]