Anisan’ireo nihaona tamin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard tany Frantsa ilay minisitra delege eo anivon’ny minisiteran’ny Eoropa sy ny raharaham-bahiny, misahana ny Frankofonia sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, Thani Mohamed Soilihi. Avy any Mayotte izy ary efa loholona Frantsay fa malagasy kosa ny razambeny. Nandefa taratasy misokatra eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny […]
Other News
Fidinana ifotony eny amin’ny faritra : Nampahafantatra ny fanajana ny demokrasia ny HCDDED
Nitohy tany Toamasina indray ireo mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny tany tan-dalana (HCDDED), ny faran’ny herinandro teo. Indroa miantoana ny famelabelarana nataon’ireo mpikambana notarihin’ny filohany, Ranadialison Angelo, ka teo ny natao tao amin’ny lapan’ny faritra Atsinanana. Nihaonan’ izy ireo amin’ny solontenam-panjakana sy olom-boafidy ary koa […]
Mila mahazaka !
Maro raha hita tokoa eto Madagasikara ! Tena hoe tsy hay intsony izay asiana ny tongotra na hiankavia na hiankavanana. Raha mianatsimo mahazo kiana, mizotra miankavanana voarabiraby, raha mianandrefana toa latsalatsaina, raha miantsinanana moa dia voaompa mihitsy. Sarotra tokoa ny miaina amin’ny zava-misy, ankehitriny. Raha kelikely vovokaina aloha dia tapitra andro […]
Ambasadaoro Frantsay, Arnaud Guillois: “Dinihina miaraka anaty fitoniana ny “Iles Eparses”
Nomarihina omaly, tetsy amin’ny trano fonenan’ny masoivoho etsy Ivandry ny fetim-pirenena Frantsay. Anisan’ny nambaran’ny ambasadaoro, Arnaud Guillois, ny momba ireo Nosy malagasy manodidina. Notsiahiviny tamin’ny lahateniny ny dinika teo amin’ny vaomieran’ny firenena roa tonta momba ireo Nosy Malagasy, ny 30 jona teo. “Efa namoaka ny fanambarana iombonana ireo mpivory ka […]
TSELATRA
Lahiantitra 77 taona voasoloky ka tonga tampoka tany Foulpointe, omaly. Niainga avy eto Antananarivo io raim-pianakaviana io rehefa naharay hafatra miafina fa nahazo lelavola tamin’ny alalan’ny fisarihana. Very ary tsy nisy trano natoriana ilay voasoloky rehefa tonga tany Foulpointe izay toerana voalaza hangalana ny loka. Jiolahy mpamaky trano voasambotry ny […]






