Anisan’ny taranja be mpankafy taloha ny karate-do, teto Madagasikara, indrindra ho an’ny teto an-dRenivohitra. Latsa-danja izany tato ho ato noho ny antony maro samihafa. “Firenena manana mpikatroka tena mahay isika, misy anefa ny sakana tokony hialana”, hoy ny Sensei Francis Renaud na ny Maître Balam. 75 taona amin’izao ny Sensei […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Ho avy indray ny « Fetin’ny Reny »! Maro amin’ ny Malagasy no manamarika azy io. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo izay mamela izany handalo fotsiny. Ny fantatra, tsy an’ny Malagasy ny «Fetin’ny Reny» fa nampidirin’ny vahiny teto. Na ny famaritana na ny hevitry ny hoe «Reny» na «Neny» […]
Sehatra bagasy – Fidimalala: « Aza menatra amin’ny antsika »
Notanterahina ny asabotsy teo, tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola, ny fihaonan’i Fidimalala tamin’ ireo mpitia sy liana amin’ny bagasy. Nisongadina, sady vontoatin’ity fihaonana nokarakarain’ny Sehatra Bagasy ity, ny fizarana traikefa momba ny fahitan’i Fidimalala ny tontolon’ny zavakanto indrindra fa ny hira malagasy nandritra ny fotoana ela nijanonany tany […]
Tarika Exo: Seho nanjakan’ny fihetseham-po
Mandalo eto Madagasikara ny tarika Exo. Seho faharoa notontosainy ny tetsy Antsahamanitra, ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny ankapobeny, rakotra fihetseham-po ity fampisehoana «Ho tonga anie ny fanjakanao ity». Na, ireo teny an-tsehatra (mpitendry zavamaneno, mpihira, mpandihy). Na, ny mpijery tonga maro teny an-toerana. Samy nanjakan’io fihetseham-po io avokoa. Tao ireo […]
Tarika Kiaka sy Iraimbilanja : Nisongadina be ny fananana traikefa
Nahitana fampisehoana an-tsehatra ankalamanjana indray ny faran’ny herinandro teo. Samy nanana ny mpijeriny. Noho ny traikefa ananan’ny tarika tsirairay, anisan’ny niavaka ny tetsy Antsahamanitra. 30 taona aty aoriana… Notanterahina tao Antsahamanitra, omaly tolakandro, ilay seho lehibe «Mozik’Iray» iarahana amin’ny tarika Kiaka sy ny tarika Iraimbilanja. Tamin’ny 3 ora marina, nanomboka […]






