Olon-tokana tsy afa-kanova firenena iray, araka ny tenin’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fifampizarana tamin’ny delegasion’ny Emirates Arabo Mitambatra. Mahasadaikatra sy mahavalalanina fa toa niandrasana ny fidinany ifotony, ohatra, ny famahana ny olana amin’ny famatsian-jiro sy rano. Ifampiandrasana ny raharaha? Na tsy matoky tena ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga, na miandry […]
Other News
Filoha Rajoelina Andry: “Tsy miankina amintsika irery ny olan’ny Jirama”
Nanamafy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, fa miara-mientana ny minisitera rehetra, hamahana ny olan’ny Jirama. “Tsy miankina amintsika samy irery anefa izany”, hoy izy. Manoloana ny olana goavana sedrain’ny Malagasy, nitafa tamin’ny haino aman-jery ny Filohan’ny Repoblika, halina. Tamin’izany no nanamafisany fa tsy mitsahatra ny mitady vahaolana ny fitondram-panjakana. « Efa […]
TSELATRA
Trano iray kilan’ny afo teo Soanierana, omaly maraina tamin’ny 3 ora sy 26 minitra. Efitra roa tamin’io trano io no hotohoton’ny afo tanteraka. Tonga ara-potoana ny mpamonjy voina ka voafehy ny fiparitahan’ny afo. Tsy nisy aina nafoy. Mpitondra moto tra-doza teny Marais Masay, omaly hariva. Nitsirara teo afovoan’ny arabe, tsy […]
Ahina ho namono tena : lehilahy hita faty nihantona tamin’ny hazo
Raim-pianakaviana iray hita faty nihantona tamin’ny tady, nikirozaroza tamin’ny hazo mirefy eo amin’ny dimy metatra eo ho eo, tao amin’ny fokontany Ambodivandrika, kaominina ambanivohitr’Ilaka Atsinanana, distrikan’i Vatomandry, ny sabotsy hariva teo. Nahazo fanairana avy amin’ny sefo fokontany Ambodivandrika ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ilaka Atsinanana momba ny fisian’ity raim-pianakaviana […]
Fanafihana mitam-piadiana : maty voatifitry ny polisy i Ndaty
Lavon’ny balan’ny polisin’ny UIR teny Antsalovana 67 ha, ny sabotsy tamin’ny 9 ora sy 30 mn, ny jiolahy raindahiny sady mpamerin-keloka, fantatra amin’ny anarana hoe i Ndaty. Malaza ratsy amina halatra mitam-piadiana mahery vaika i Ndaty, araka ny fanazavan’ny polisy. Nahazo loharanom-baovao mialoha ny polisy momba ny fisiana andian-jiolahy mikononkonona […]






