Mitodika any aminy ny Malagasy rehetra maneran-tany. Lasa nihazo an’i Kazan, any Russie, i Filamatra Matokia Randriamampionona. Izy ilay tovovavikely hisolo tena an’i Madagasikara amin’ilay fifaninanan-kira “Our Generation”, izay hatao any an-toerana, ny 16 novambra izao. Ilay hirany “Iray” no entin’i Filamatra matokia hifaninana mandritra izany hambaboana ireo mpitsara. Fitiliana […]
Other News
“Miss Earth 2024”: lasan’i Jessica Lane ny laharana voalohany
Taorian’i Drita Ziri, avy any Albani ny taona 2023. I Jessica Lane indray no nahazo ny satro-boninahitry ny “Miss Earth” taona 2024. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Philippines, ny dingana famaranana ho an’ny fifaninanana “Miss Earth 2024”. I Jessica Lane, tovovavy nisolo tena an’i Australia no voahosotra ho mpandresy. […]
Famorana na didim-poitra: fomba mbola fanao saingy miova tsikelikely ny endri-pankalazana
Vitsy no manao ny famorana antsakany sy andavany ankehitriny noho ny antony maro. Mbola ataon’ny rehetra kosa anefa izany, indrindra ny Malagasy. Fanesorana ny lohatsitsy na ilay hoditra mamono ny lohan’ny taovam-pananahan’ny lehilahy iny no atao hoe famorana. Anisan’ ireo firenena manao izany ary manasokajy azy ity ho fomba mihitsy […]
FANTINA sy FINTINA
Nanambara ny eo anivon’ny RMDM fa manohana ireo kandidàn’ny Tim sy ny eo anivon’ny Firaisankina, amin’izao hiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina izao. Vonona ho amin’ny famondronan-kery koa izy ireo ho amin’izany. Notsikerain’ny RMDM koa ny fomba fitantanan’ny mpitondra sy izao olana sosialy izao. Tontosa ny faran’ny herinandro […]
Randriamasinoro Ny Rina : “Tsy mitaky fiara 4 x 4 ny depiote mpanohitra”
Mbola resabe eny Tsimbazaza ny mahakasika ny fitakiana na tsia ny fiara tsy mataho-dalàna ho an’ny depiote. Milaza tsy miady izany ny depiote mpanohitra, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Tim sady depiote voafidy tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, Antananarivo IV, Randriamasinoro Ny Rina. “Raha ho anay eo anivon’ny fanoherana, tsy mitaky […]






