Ravan’ny mpitandro filaminana ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana teny Ampasapito, boriborintany fahatelo, ny alin’ny sabotsy 6 jona teo. Dimy lahy nitam-piadiana nikoninkonina hanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny faritra Gamo. Naharay loharanom-baovao mari-pototra ny polisy eo anivon’ny SCUSI (Sakamainty) ka niroso tamin’ny fitsikilovana teny an-toerana. Sarona tokoa ireo jiolahy, ny alin’io sabosy io […]
Other News
Andranomahery-Ankorondrano : Tovolahy namoy ny ainy, nolerana zava-maranitra
Namoy ny ainy rehefa nentin’ny fianakaviany ny tovolahy iray nolerana zava-maranitra, tetsy Andranomahery, fokontany Ankorondrano Andrefana, boriborintany fahatelo, ny alin’ny sabotsy 6 jona teo. Nolerana zava-maranitra teo amin’ny kibony sy teo akaikin’ny faritry feny ny tovolahy iray vao erotrerony tao Andranomahery, afakomaly alina. «Hamonjy fodiana izahay telo mirahalahy. Niraikitra tampoka […]
Havàtsa-Upem – Volan’ny teny malagasy : Hanomboka anio ny Atrikasa 2026 fanoratana
Iray amin’ireo hetsika mampiavaka ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy na ny Havàtsa-Upem ny fanatanterahana atrikasa mifanaraka amin’ny vanim-potoana. Ao anatin’izao «Iray volana anandratana ny teny malagasy» izao, hanatontosa ny «Atrikasa 2026 fanoratana» ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikoloana ny teny malagasy ity. Hiompana amin’ny famakafakana asa soratra (Essai […]
Fanja Andriamanantena : Hisy zava-baovao ny « Mozika Tsotra izao »
Andiam-pampisehoana, miompana manontolo amin’ny sanganasan’i Fanja Andriamanantena, ny « Mozika tsotra izao ». Hafa indray ny fisehon’ny andiany manaraka eo. Manohy hatrany ny mozika izy… Ny fiakarana an-tsehatra kosa tsy hanao toa ny efa vitany taloha intsony i Fanja Andriamanantena. «Hanomboka pejy vaovao indray…Raha izaho dia tsy hahavita hiaka-tsehatra intsony, […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina anio sabotsy tontolo andro, etsy amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, ny andiany fahadimy amin’ny “Iray isika eny an-kianja”. Fifaninanana ara-panatanjahantena sy kolontsaina, hifaninanan’ireo mpiasa amin’ny haino vaky jery. Taranja telo no hifaninanana dia ny tsipy kanetibe, ny baolina kitra lalaovina olona 7 ary ny basikety iarahan’ny lahy sy vavy. Norombahin’ny ekipan’ny […]







