Nahatratra 34 ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paka 2026 lasa teo, teto amin’ny faritra Analamanga, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny polisim-pirenena, omaly. Nosamborina noho ny vaky trano ny telo, tra-tehaka teo am-panaovana sinto-mahery ny iray hafa. Tratra nangalatra moto kosa ny efatra […]
Other News
Ben’ny Tanànan’i Tsarasaotra-Ambositra: Arahi-maso ara-pitsarana, taorian’ny savorovoro
Niakatra fampanoavana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Ambositra, arahi-maso ara-pitsarana ny ben’ny Tanàna ao Tsarasaotra, taorian’ny savorovoro nataon’ireo mpomba azy, omaly. Niditra an-tsehatra nandamina ny savorovoro nataon’ny fokonolona tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambositra ireo mpitandro filaminana taorian’ny didy nivoaka fa hampidirina vonjimaika am-ponja ny ben’ny Tanàna an’i Tsarasaotra, […]
Notifirin’ny polisy : Raim-pianakaviana niboraka atidoha !
Dimy andro aty aorian’ny naha voatifitra azy, tsy misy maka eny amin’ny tranom-paty ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray. Potiky ny balan’ny polisy ny lohany, tao Tanambao II. Hatramin’izao tsy fantatra mazava ny antony nitifirana azy. Maty voatifitry ny polisy ny lehilahy iray ny alakamisy lasa teo, tany Tanambao faharoa, Toamasina. […]
Handball – Mada sokajy zandriny : Hitiliana ireo hanao IHF Trophy
Notontosaina nanomboka ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianjan’ny Ankoay Ankorondrano, ny lanonana fanokafana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy zandriny, Cadet ary Juniors, lehilahy sy vehivavy. Hanana ny lanjany ity fifanintsanana ity. Mandritra izany no hanaovan’ireo teknisianin’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMH) ny fifantenana ny ekipam-pirenena Akio, sokajy zandriny. […]
Volley-U19: Tompondaka ny MVBC sy ASI
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, latsaky ny 19 taona, lahy sy vavy, taranja Volley-ball. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy ny ekipan’ny MVBC Boeny, rehefa nandavo ny GNVB Analamanga, tamin’ny seta 3 no ho 1. Azo lazaina ho nahavita […]






