Other News

Fifamoivoizana: Taksiborosy 52 sy fiara hafa nosavaina

Hentitra ny fampiharana «tsy misy loza mihitsy na iray aza»! Nidina tany amin’ny la­lam-pirenena RN43 (Analavory -Ampefy-Soavinandriana) sy ny RN1 (Analavory-Tsiroano­mandidy) ny Fitantanam-paritry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (DRTM) Itasy, ny 1 avrily teo. Nanotrona azy ireo ny mpitandro filaminana, Zan­darimariam-pirenena sy ny Poli­sim-pirenena. Antony, anisan’ny tena be […]

Fianarantsoa: Miisa 25 000 ny tantsaha tohanan’ny Folur

Hifantoka amin’ny fametrahana rafitra ara-tsakafo maharitra sy ny fanarenana ny endritany ary ny fanarenana ny rohivoahary ny tetikasa Folur Madagasikara. Any Fianarantsoa, ahitana an’ Amoron’i Mania, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana, ny faritra iasany. Mamatsy vola ny tetikasa ny Tahirim-bola ho an’ny tontolo iainana maneran-tany (Fem7), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny […]

Fampandrosoana ny toekarena : Vonona handraharaha eto amintsika ny tonizianina

Tonga eto Madagasikara, nanomboka ny 31 marsa teo, ny delegasionina tonizianina mpandraharaha hijery fiaraha-miasa amin’i Madagasikara. Hetsika tafiditra ao anatin’ny “mission économique” atao hatramin’ny 04 avrily, izay tarihin’ny Tunisia Africa Business Council (TABC). Tanjona ny hanamafy ny fifanakalozana eo amin’ny firenena roa tonta sy hanatanteraka ho tetikasa ireo finiavana ho […]

FANTINA sy FINTINA

Ilaina ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana hampandrosoana ny faritra tsirairay avy, araka ny nambaran’ny loholona teo aloha, i Vaovao Benjamin. Nanteriny fa ahafahana mampandroso ny faritra sy handrindrana ny fitantanana ny firenena izany. «Ani­san’ny mampihisatra ny fitantanan-draharaham-panjakana ny tsy fipetrahan’izany», hoy izy. Voafidy hisolo tena ny HCC eo anivon’ny bira­on’ny Ceni, Rajafetra […]

Fitantanan-draharaham-panjakana: Nanolotra tatitra tamin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Mediatiora

Ireo asa vita nandritra ny taom-pikatrohana 2024-2025, manasongadina ny andraikitry ny Mpiahy an-drariny ny va­hoaka na ny Mediatioran’ny Repobika amin’ny maha rohy mampifandray ny Fanjakana sy ny vahoaka azy. Izay no na­naovan’ny Mediatioran’ny Re­poblika, ny Pr Andrianaivo­tseheno Ravaka, tatitra tamin’ ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, […]