Other News

Ping Pong – Afrika Atsinanana : volamena telo sy volafotsy iray azo

Nifarana omaly ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika faritra Atsinanana, taranja tenisy ambony latabatra, ping pong, lahy sy vavy, izay natao tany Ouganda. Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara tamin’ity fifaninanana ity, nandrombaka medaly volamena telo sy volafotsy iray ny ekipam-pirenena malagasy. Ho an’ny sokajy lehilahy, voahosotra ho tompondakan’ny lalao […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, ao amin’ny kianja Ankoay Ankorondrano, ny fifaninanana « Grand Open de Mada », ho an’ny haiady Jiu-Jitsu brezilianina. Lalao izay karakarain’ny Club 101 Jiu Jitsu. Tsara marihina fa ity no andiany faharoan’ny “Grand Open de Mada”. Hafindra eto Antananarivo ny fiadiana ny ho […]

Inter- Medias 2024 : hatao ny 4 mey avokoa ny lalao rehetra

Nisy fiovana ny fandaharam-potoan’ny fifaninanana ho an’ireo orinasan-tserasera “Inter- Medias 2024”, “Iray eny an-kianja”. Hatao eny Mahamasina, ny 4 mey ho avy izao, avokoa ny lalao rehetra amin’izany, araka ny fanazavana nomen-dRasoloarison Harimbola Monica, filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM), omaly. Marihina fa saika natao roa andro, ny […]

Handball: hatao eto Madagasikara ny “IHF Trophy”

Taorian’ny fandavan’i Maurice tsy handray ny “IHF Trophy”, faritra fahafito, sokajy “cadet” sy “junior”, hampiantrano izany indray i Madagasikara. Takina ny Licence D izay ho mpanazatra hitondra ny Akio de Madagascar. Nambaran-dRaheriari­jaona Regina Clarisse, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja handball (FMH), omaly, teny Mahama­sina, fa hatao eto Madaga­sikara ny “IHF Trophy”, […]

Axian sy Unicef : fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro

Natao ny talata 23 avrily teo ny fihaonan’ny vondrona orinasa Axian sy ny Unicef. Dinika mahakasika ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fampandrosoana maharitra. Nanatrika ny fivoriana ny talem-paritry ny Unicef ho an’ny tapany atsimon’i Afrika, Etleva Kadilli. Natao ny tomban’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ary ny mpiara-miombon’antoka samihafa. Manana […]